- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

isiraely: Fa aiza i Mahmoud al-Zahar?

Sokajy: Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fahasalamàna, Politika

Loharanom-baovao Palestiniana iray no voatsonga tao amin'ny Sunday (alahady) raha nilaza fa naratra nandritra ny andro farany nanaovan'ny Isiraeliana fanafihana tany Gaza ny Loholona ambony ao amin'ny Hamas Atoa [1]Mahmoud Zahar [2]. Nolazain'ny gazety fa nalefa haingana tany Kairo ny tenany mandra-pahatongan'ny ekipana mpitsabo tany aminn'y toerana misy azy. Tsy nisy ny filazalazana tamin'ny antsipiriany ny ratra mahazo azy sy ny toe-pahasalamany amin'izao fotoana izao.

Araka ny no tantarain'i [3] Awan dia naratra nandritra ny fanafihana andro farany nataon'ny Isiraeliana tany Gaza ny mpitari-tolona Hamas Mahmoud al-Zahar [metisy Ejipsiana] ary nentina mangingina tamin'ny ambulance ho any Ezipta.

Effi Fuks no nanoratra [4]:

מחמוד א-זאהר נחשב ל”חסן נסראללה” של חמאס עזה. בפועל, א-זאהר הוא האדם הבכיר ביותר הנהגת חמאס ברצועת עזה (אף יותר מראש הממשלה, איסמעיל הנייה) והוא אוחז בתיק החוץ של ממשלת חמאס. מחמוד נחשב לדובר המיומן והמתוקשר ביותר של חמאס ברצועה ובימיה הראשונים של המערכה ברצועת עזה אף הספיק להתראיין ולשוחח בטלפון. אולם, יום אחד, אבדו עקבותיו של מחמוד כששמועות רבות מאפילות על גורלו, חלק מהשמועות מדברות על מותו, חלק על אשפוזו במדינה רחוקה וחלק אף מרחיקות לכת עוד יותר. ילדים יקרים, האם תוכלו לסייע לקורא המבולבל למצוא את מחמוד?
Mahmoud al-Zahar no mitovy lanja amin'i “Nasrallah”n'ny Hamas any Gaza. Izy no tompon'andraikitra ambony indrindra ao amin'ny Hamas any Gaza (ary mbola mabony noho ny Praiminisitra Ismail Haniyeh aza) fa izy no mitana ny andraikitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny. Mahmoud no ‘mpitondra tenin'ny Hamas fanta-daza indrindra any Gaza, ary nandritra ny andro fanombohan'ny fanafihana nataon'ny Isiraeliana no nahitana azy matetika niresaka tamin'ny mpanao gazety [5] sy/na miresaka amin'ny finday [6]. Na izany aza dia tsy hita izay nanjavonany indray andro [7] ka nampiteraka ny tsahotsaho amin'izay mety ho misy azy. Ny sasany niteny fa maty izy, ny hafa indray manontany fa tsaboina any amin'ny hopitaly any ivelany izy. Rankizy malala ô! afaka manampy ity mpamaky sahiran-kevitra [8] ity ve ianareo hahitany an'i Mahmoud?

(Isaorana i Nasser tamin'ny rohy!)

Gilad Lotan [9]