Madagasikara: fitadiavam-bolan'ankizy

Green Boy in Madagascar

Green Boy sarin'i Patrick

Lahatsary roa roa avy aty Madagasikara no maneho antsika ny fikaratahan'ny ankizy mikarokaroka sy mamoron-javatra ary fahasahiana kely mba hihoirany eo amin'ny fiainana. Voalohany amin'izany i Toky izay mampiasa kapoaka sy fitaovana hafa efa nampiasaina hanaovana fiara kapoaka, ny iray hafa indray mampiseho an'i Green Boy, izay miasa any an-dalam-be tsy amin'ny fangatahana fa amin'ny alalan'ny talenta mitsingeringerna.

Koloina izay manoratra ao amin'ny Gasykool's Weblog no milaza ny tantaran'i Toky:

Raha i Toky manokana no resahina dia Tovola kely mahafinaritra izy ary azo lazaina hoe anisan'ireo ankisy lahy tia karokaroka sy matsilo saina izy.Zazalahy kely tsy mba azonao ambakainy izy ary tsy azonao resen-dahatra raha tsy mazava aminy izay tianao atao miaraka aminy, fa raha tsy izay dia tsy ho azonao mihitsy izy. Rehefa miaraka aminy dia tsimaintsy mazava ny fepetra satry ny azy rehefa izay dia izay tsy miova amininy raha mbola azo atao (ohatra hoe ndao hiaraka hiantsena dia ividianako mofo ialahy avy eo ) tsy vita mora izany fa rehefa noekena dia atao fa raha tsy izany dia mety tsy ho hahazo azy intsony ianao amin'ny manaraka. Ny fialambolin'i Toky ankotran'ny manamboatra ireny kilalao fiara kapoka ireny dia manao sary mijery, dessin animé ary milalao bisikileta .Itantsika fa tsy voatery mividy eny antsena na mahazo avy any amin'I mamany na ny dadany na ny manodidinazy i toky vao manana kilalalao ho lalaovina. Araka ny efa voalaza etsy ambony hoe manamboatra kilalao izy, tsy mba midongy aminao izany izy na andeha hiady amin'ny namany. Efa nahavita be dia be izy ary maro karazany mihintsy fa araka ny fantatsika fa mila miovaova ny zavatra avoka sy ny kilalao dia lasa pièce détaché no niafaran'ny fiara sasany. Na dia efa vitsy aza ny ankizy manao izany dia ho an'ny toky dia anisan'ny fahafinaretana ny manao izany ary sady faly be ery izy satria nahavita kilalao ho lalovina.

Naka an-dahatsary ny fomba fiasan'i Toky mampiasa kapoaka, taratasy tapatapakazo eny fa na dia kiraro rovitra aza hanaovany ny famoronany i Koloina:

Eto indray i Patrick izay mamaham-bolongana amin'ny anarana layshiyuu izay mitondra ho antsika kosa ny tantaran'i Green Boy tsy mba mangataka fa manao karazana fampisehoana hery sy hakingana ary fiolanolanana hanalana hamohamo ny olona vory ho takalon'ny vola:

Green boy is still very young for working because, he is only 14 years old. But you know he has a dream like all the children. He want to make a very big show on the stage one day but as he said he hasn’t any hope to intend his endeavor because he is poor and indeed hasn’t any access to go to school.

Mbola tena tanora dia tanora i Green Boy raha hiasa, mbola vao 14 taona monja. Saingy mba manana nofinofy tahaka ny ankizy rehetra ihany koa izy. Te-hanao fampisehoana lehibe iray eny an-tsehatra izy indray andro any saingy efa nolazainy fa tsy manam-panantenana hahatontosa izany fikasany izany noho ny fahantrany sy tsy mba nandiavany an-tsekoly.

Samy mpikambana ao amin'ny Foko Madagascar's Blog Club avokoa na i Koloina na i Patrick , fikambanana nahazo loka tamin'ny fifanampian'i Rising Voices hampianatra ny tanora hahay hampiasa ny fitaovana fampitam-baovao tahaka ny bolongana, lahatsary na sary entina hanehoana amin'ny hafa fa tsy ala sy rajako kely ihany no misy eto Madagasikara. Efa nisy hafa ihany koa nahazo tombotsoa tamin'ity tetikasa ity tahaka an'i Theo izay nanao resadresaka an-dahatsary nifanaovana tamin'ny Mpitandrina Afrikana Tatsimo izay nahazo'i Theo hafatra mampihetsi-po miresaka momba ny fankasitrahana, sy ny mahazava-dehibe ny fahaiza-mankasitraka ny fanomezan'i hafa:

Juliana Rincón Parra

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Patrick

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.