Madagasikara: Rivodoza nandravarava nanome lalana ny tadiom-politika

Nivoaka ihany nony farany ny antontan'isan'ny fahapotehana nateraky ny rivodoza Fanele rehefa avy nandalo andro vitsivitsy teto Madagasikara. Nisidina tany amin'iray amin'ny faritra nandalovan'izany rivodoza izany ny filoha Ravalomanana hijery ny haben'ny fahavoazana.

Tadiom-panomezam-baovaon'olo-tsotra

Raha mbola tsy manana vohikala ho azy ny BGNRC (sampan-draharaha misahana ny fikarakarana raha misy ny voina sy ny loza) dia azo jerena ao amin'ny open-source Google map avy amin'ny mpamaham-bolongana roa Marie Sophie Digne sy Tomavana (fr) ny tatitry ny vokatry ny fahavoazana.

Indro misy famintinana ny fahavoazana, araka ny IRIN, amin'ny alalan'ny ReliefWeb:

New figures from Madagascar's National Office for Natural Disasters Preparedness (BNGRC) indicate that cyclone Fanele claimed eight lives and affected some 40,400 people [..] The BNGRC said a further 63,000 people were at risk in Menabe if heavy rain continued to fall. Relief teams are still assessing the damage caused by the two storms, and figures are expected to rise as more information on the full extent of the damage is gathered.

Manambara ny atontan'isa avy amin'ny BNGRC fa 8 no maty, 40 400 ny olona tra-boina, ary 63 000 hafa ahiana ho tratrany ihany koa raha mbola mijojo any @ faritra Menabe ny orana noho ny fandalovan'ny rivodoza Fanele. Mbola eo ampanombanana ny haben'ny fahavoazana moa ny mpiasa ka heverina mbola hitombo io isa io rehefa voangona avokoa ny vaovao rehetra momba izany.

Tadiom-politika

Mirohondrohana noho ny vaovao politika sy ny famoahan-kevitra mifandraika amin'ny famoriam-bahoaka tontosaina androany (24 janoary) sy ny antso hanaovana fitokonam-be mandra-pialan'ny governemanta manontolo ny tontolom-bolongana malagasy.

Maro ny mpamaham-bolongana no mitantara mivantana sy mamoaka sary ny toe-draharaha (misy sary hafa ao amin'ny facebook).

Blogger Ariniaina provides a brief factsheet on the background of the turmoil:

Andry Rajoelina (or Andry TGV) had a TV Station named VIVA and still have a radio station with the same name. The minister of the communication has decided to close the TV station VIVA due to a documentary movie that this station had broadcasted. It was a message from the former President of Madagascar, Didier Ratsiraka [..] Since then, the Mayor ( of Antanarivo, Andry Rajoelina) gave an ultimatum to the government to re-open VIVA TV station before January 13 [..] As Andry didn’t get what he wanted, he invited the people of Tana to go on a strike AGAIN today, January 24.

Nanana TV VIVA ary mbola manana ny radio mitovy anarana aminy i Andry Rajoelina (na Andry TGV). Nanapa-kevitra ny hanakatona ny TV VIVA ny minisiteran'ny fifandraisana noho ny lahatsary fanadihadiana iray navoakan'ny toby. Hafatra avy amin'ny Filohan'i Madagasikara teo aloha, Didier Ratsiraka izy io [..] Hatramin'io fotoana io dia nanome fe-potoana farany ny Ben'ny tanàna hanokafana indray ny TV mialoha ny 13 janoary [..] Nanasa ny mponin'Antananarivo hitokona INDRAY i Andry androany 24 janoary.


( sarim-pihetsiketsehana avy amin'i ariniana )


Mpamaham-bolongana Jentilisa
no namakafaka lalina ny resaka ataon'ny vondrom-politika roa tonta ary manohitra ny fampielezana ny tsahotsaho tsy voamarina (mg):

Toy izany ihany koa nisy hazo nianjera tao amin'ny kianjan'ny demaokrasia, noho ny fahanterany mazava loatra (tatitra heno tamin'ny radio tana, kidaona maraina) nefa misy manadrohadro hoe “lazao fa sabotazy ihany koa e!”; eo indrindra isika, fambara zavatra amin'ny hafa hatrany ny zavatra toy izany na dia tokony ho tsy misy dikany aza. Eo amin'ny toe-tsaina minomino foana mbola ananan'ny maro dia mbola fampitandremana aloha izay,

Mpamaham-bolongana Avylavitra no mampahatsiahy antsika fa miezaka ny hanakatona ny VIVA radio ny fitondrana nefa tsy mitombina ny anton'izany. Misy ny lalàna tsy manaiky ny hampielezana ny fampielezam-peon'ny tsy miankina manerana ny firenena. Nefa misy ny Radio MBS manohana ny fitondrana efa nampiely ny feony manerana ny firenena nandritra ny 5 taona tsy nahazo fampitandremana akory (mg):

Tsy hoe fanenjehana ny MBS akory no ilazako izany fa filazana kosa hoe ‘Natao ho an’iza ny lalàna?’

( Akanjo Malagasy “yes we can” avy amin'i avylavitra)

Tampodin'ny tantara
Mialisoa Randriamampianina, sady mpamaham-bolongana no mpanao gazety no malahelo mahita indray ny fiverenan'ny tranga tamin'ny 2002, sy ny fahadisoana mitovy hita, fomba fiteny mihantsy ady mitovy ary tsikariny fa mbola lavitry ny fahamatorana ny demaokrasia (fr):

À défaut d’une véritable culture politique, ce grand public se rabat sur la bonne vieille offuscation des éternelles victimes, le ton toujours plus haut, la prudence toujours bradée [..] Ainsi faisait-on en 2002, ainsi fait-on en 2009 [..]: la rue est devenue le chemin forcé, la menace, le recours incontournable. Et au bout, une implosion qui n’est pas forcément utile. Il y a sûrement une juste manière de se faire comprendre, en dehors des intimidations un peu trop faciles et de la condescendance maladroite. En attendant un peu de sang-froid, on en est tous là, en train de naviguer à vue d’œil ou à l’aveuglette. Et on appelle cela « une quête de la démocratie »…

Raha tsy misy fikolokoloana politika matotra mihitsy dia hampiditra ny tenany ho iharan'ny tsy rariny, ka hitabataba lalandava ary tsy mba malina ireo vahoaka ireo [..] Tahaka izay nataony tamin'ny 2002 ihany no hataony amin'ny 2009 [..] ny arabe hatrany no atao lala-tokana tsy azo idifiana. Ary dia mety hisy fipoahana anaty izay tsy voatery ilaina indray. Tsy maintsy misy kosa ny fomba hahafahana mifankahazo, fa tsy maika ny hifampihantsy sy hifanjanaka amin'ny tsy misy dikany. Mandra-pahatongan'ny fitoniana anaty, dia indreto isika, mandeha an-jamabny sy araka izay hita fotsiny. Ary dia izany no antsoina hoe ” fikatsahana ny demaokrasia”

Randy mpamaham-bolongana sady mpanao gazety ihany koa dia manaiky fa mety tsy mbola vonona hanaraka ny tena fanao demaokratika i Madagasikara (fr):

Et c’est bien ce qui inquiète une partie de l’opinion. Car, dans tous les pays du continent qui se sont livrés à ce jeu, c’est toujours par des manifestations d’une spontanéité suspecte que commence la mise en scène.

Ary izay no tena mampanahy ny sasany. Satria amin'ny firenena eto amin'ny kaontinanta izay miditra amin'ity lalao ity, dia amin'ny fiaraha-mientana hihetsiketsika hatrany no hanombohan'ny fanaovana sarimihetsika.

Tsy noadinoin-dRajiosy ny fikirizana ataon'ny vahoaka nampiakatra azy eo amin'ny fitondrana nefa mandrahondrahona azy kosa ankehitriny (fr):

L’ironie de l’Histoire veut que celui-là même qui a outrepassé l’Etat naguère a eu pour tâche de restaurer l’autorité de cet Etat et de stabiliser ses institutions. Il se retrouve aujourd’hui mis en demeure de conforter cette pérennité. Tâche difficile on l’a vu face à une partie de population versatile.

Ny esoeson'ny tantara dia ilay olona nihoam-pefy tamin'ny fitondrana teo aloha no miady mafy mba hampiverina ny fahefam-panjakana sy hampitombina ny andrim-panjakana. Tsy maintsy miatrika izany izy haharetany. Asa sarotra satria misy mankony olona no miovaova hevitra be ihany.

Tontolon'ny twitter mihamatotra

Fa ny tena mahaliana ihany koa dia ny nisongadinan'ny tontolon'ny twitter izay mandefa ny fioaran'ny toe-draharaha politika toy ny mivantana mihitsy. Afaka manaraka mivantana ny fitantaran'ny tweets ianao amin'ny alalan'ny fampidirana karoka #madagascar:

Mitaky ny hialan'ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitondrana i Andro Rajoelina ary mantsony hanaovana fitokonana faobe manomboka ny alatsinainy izao.

Nanao fanambarana ny minisitry ny atitany raha efa tonga eny amin'ny vavahadin'ny VIVA kosa ny mpitokona.

Sary sy fitantarana mivantana ao amin'ny bolongan'i jentilisa

Ho an'ny mpampiasa Twitter any Madagasikara, miangavy mba hampiasa ny #madagascar hash/tag mba ho mora hitan'izay liana hanaraka vaovao mafana.

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.