Bolongana Afrikana voafantina ho @ Bloggies 2009

Nisokatra tamin'ny voalohany volana janoary ary nikatona tamin'ny 19 janoary teo ny fifantenana fahasivy   ny loka fanolotra isan-taona: The 2009 Bloggies. Araka ny nolazain'ny vohikala mampanao ny fifaninanana dia ny Bloggies no fifaninanana lavitr'ezaka indrindra amin'ny resaka Web, ary anjaran'ny mpamaky ny bolongana avokoa no mifantina sy mifidy izay hiatrika ny famaranana. Ny loka ho an'izay mandresy moa dia  2,009 US cents!

Bolongana 5 no voafantina ao amin'ny sokajin'ny Best African Weblog (bolongana Afrikana tsara indrindra):
Being Brazen: Avy ao Afrika Atsimo. Mivaky toy izao ny mombamomba ny mpamaham-bolongana:

Hafahafa aho, mpanonofy atoandro, mihoatra ny 20 taona mino ny fitiavana , an'Andriamanitra , ny herin'ny teny, manana saina mivelatra ary ny hehy angamba no fitsaboana tsara indrindra. Tsy tiako ny misidina (voromby), ny mandeha @ faritra anaty vahoaka be, ny milahatra sy ny tratran'ny fitohanana. Tsy mahay mandeha amin'ny kiraro avo voditongotra. Manoratra aho mba hadio ny saiko.

Appfrica: Vavahadim-baovaon'ny fivoarana vitan'ny Afrikana, ny fanabeazana ary ny fandraharahana amin'ny haitao.

Glad To Be a Girl: Mpamaham-bolongana Afrikana tatsimo mipetraka any Johannesburg.

Ny mombamomba azy:

Manaloka ny fahadalako ary mampiseho ny fahaizako! Mitete tsikelikely any amin'ny tavindrano ny  fanetre-tena 😉 ny fanebahana no fitaovam-piadiana fifidiko. Mino Andriamanitra mihoatra ny iray amin'izay inoako ny kristiana, ny miozolomana & Jiosy.

West Africa Wins Always: Izy ity dia Bolongan'i Pauline, mpanao gazety nipetraka any Cote d'Ivoire hatramin'ny taona  2003.

Ny farany fa tsy ny kely indrindra i Scarlett Lion: mpanao gazety mipetraka any Liberia.

Ao amin'ny teniny:

Mpaka sary, mpanoratra, mpanangom-baovao. Going through life with an eye towards creating records and histories. Nonina tany Uganda taloha fa any Liberia amin'izao fotoana izao. Mahatonga ny olona hisikotsikotra, hiala henatra, ary hiady hevitra ny bolongana. Ary mitondra sary ihany koa.

Mifarana amin'ny 2 Febroary ny fifidianana ary hambara any Austin, Texas, USA amin'ny volana martsa ny valin'ny nahazo ny loka.

Ndesanjo Macha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.