Angola: Ny herisetra ao an-tokantrano no mitombo sa ny fahatsiarovantena?

Araka ny karazana loharanom-baovao an-gazety, dia tena mitombo aok'izany ny tahan’ny herisetra ao Angola. Saingy ny isa tokoa ve no nitombo sa ny toe-javatra no mihamivandravandra amin'ny mahaheloka azy? Taratra fa nahitana toe-javatra miisa 640 voarakitra tamin’ny taona 2008, 424 tamin’ireo olana ireo ihany no voavaha tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra raha toa ka tsy maintsy nomena an-tanana ny fitsarana ny ambiny. Betsaka noho ny antontan'isa nisy tamin’ny taona 2007 ireo isa voalaza etsy ambony ireo izay mampiseho ny zava-misy fa matahotra ny hitory ireo olona mpampijaly azy ireo olona iharan'ny vono. Soritr’endrika tsara izany: Raha mihabetsaka ny fitoriana dia hamarana haingana ny herisetra manjo ireto vehivavy Angoley ireto – na ry zareo araraotin’ireo vadiny na araraotin’ireo sakaizany (sipany) izany fihetsika izany.

Mampalahelo araka ny efa niheverana azy ny tantara. Indraindray mahay mamarana izy ireo – rehefa voafonja ny mpanao herisetra ary afaka tamin'ny fampijaliana sy herisetra ara-batana ireo vehivavy ireo. Indrisy fa mbola misy ihany koa ny tantara ratsy fiafara. Manana ny tantaran'ny vehivavy maty eo ampela-tanan'ny nitokisany maro dia maro i Angola. Mihevitra manko ireto lehilahy ireto fa fananany ny vadiny na ny sipany. Mamono ireto lehilahy noho ny fahasarotampiaro, ary mahafaty mihitsy.

Mpanampy antsoina hoe Nely 20 taona, no mba nanam-bintana. Milazalaza amintsika ny tantarany ao amin'ny blaogin’i Diário da África na Diarin'i Afrika

“Hoje pela manhã, ela tirou fotos das costas, dos braços e das pernas, tomados por manchas roxas e negras, resultado do espancamento a que foi submetida pelo ex-marido. Armado com um pedaço de madeira, Amâncio (é este o nome do criminoso) aliviou as suas frustrações com o universo em cima da Nely. A sessão de tortura começou por volta das 6h da manhã quando ela recebeu o telefonema do vizinho que queria saber se ela pegaria carona para o trabalho com ele. O ex-marido-espancador, num acesso de fúria e ciúmes, aplicou-lhe a surra”.
Não obstante a sova, o agressor foi apresentar queixa de Nely à esquadra, acusando-a de o ter cortado com uma faca. Eis o relato: “ (Ele) cortou-se com uma faca durante a confusão e depois, ainda foi à polícia prestar queixa contra a Nely. Ela caminha com dificuldade por causa de uma paulada que levou num dos joelhos. Nely prestará queixa contra o espancador na Organização da Mulher Angolana – OMA, entidade ligada ao governo de Angola que defende os interesses das mulheres. Eu, de minha parte, faço votos de que esse Amâncio passe uma temporada atrás das grades”.

Nalaina sary ny lamosiny, ny tanany sy ny tongony androany maraina, feno fery mivalo-mainty sy volomparasy ireo faritra rehetra ireo noho ny kapoka nataon’ny vadiny taloha. Tamin’ny vatan-kazo no nanalan'i Amancio (anaran’ilay mpisetrasetra) ny hasosorany. Nanomboka tamin’ny 6 maraina ny fampijaliana raha naharay antso an-telefonina avy any amin’ny mpifanolobodirindrina taminy i Nely sao afaka mitondra azy hiasa ranamana. Nentin-katezerana noho ny fahasarotampiarony ilay vady mpampijaly ka nidaroka an'i Nely.
Na dia teo aza ny daroka nataony dia mbola ingahy mpisetrasetra indray no nitory an'i Nely tany amin'ny polisy niampanga azy ho nandidy tamin’ny antsy. Toy izao ny fitantarany: “Izy tenany ihany no nandidy ny tenany tamin’ny antsy nandritra ny fisafotofotoana ary avy eo nankeny amin’ny polisy mba hitory an’I Nely. Sahirana i Nely mandeha noho ny dona nahazo ny lohaliny anankiray. Hitory noho ny herisetra nahazo azy amin’ny alalan’ny Fikambanan'ny vehivavy Angoley I Nely – OMA no anaran'ilay fikambanana miaro ny zon'ny vehivavy manana fifandraisana amin'ny fitondrana Angoley. Manantena aho amin’ity indray mitoraka ity fa any am-ponja no hiafaran'i Amancio.”

Indrisy, araka ny mety ho hita eny amin’ny faritra hafa sasany eto amin’izao tontolo izao dia tsy manana lalàna matanjaka mikasika ny herisetra an-tokantrano I Angola, lalàna ahafahana manadihady ny toe-javatra toy izao mba ahazoana misambotra ny mpanao herisetra. Navotsotra i Amancio vadin’I Nely, ary nampanatena fa hanohy ny levileviny. Nopotehiny avokoa ny atontan-taratasin'i Nely ary nalefany hotezain'ny fianakaviany any Sao tome sy Principe ny zanak'izy ireo vavy.

“Nada aconteceu ao ex-marido. Foi embora tranquilamente, depois de ter dado uma surra com um pedaço de madeira em Nely. E ainda ameaça voltar. Agora é torcer para que a delegacia da mulher funcione. Que abra uma processo contra esse sujeito, que a justiça o condene pelas sessões de espancamento e ele cumpra a sua pena na cadeia. A evolução do caso é que preocupa. Começou com os gritos dele contra Nely, depois uns safanões, depois surras, daqueles de ela não conseguir se levantar do chão. Agora apareceram um pedaço de pau e uma faca. O que virá a seguir?”

Afaka madiodio ny vadiny taloha. Nandeha nilamina izy rehefa avy namono an’I Nely tamin’ny vatan-kazo. Ary dia nandrahona ny hody. Manantena izahay ankehitriny fa hanao ny asany ny sampan'ny polisy miaro ny vehivavy. Ary hampiditra atontan-taratasy hiampangana ity lehilahy ity, ka ny lalàna anie no hampiharina aminy tamin’ny famonoana fanaony ka hitondra azy any am-ponja. Ny fivoaran'ny toe-draharaha no nahaliana [anay]. Manomboka mivazavaza amin'i Nely izy aloha, avy eo mandeha ny totohondry, manaraka izany ny daroka ka nahatonga an'i Nely tsy ho tafarina. Ankehitriny, misy indray ny langilangy sy ny antsy. Dia ahoana koa ny manaraka?

Fahafatesana no mety hiandry azy na ilay mpampijaly. Misy vehivavy vitsivitsy mahafaty ny vadiny mba ahafahany miery ny loza. Marihana koa anefa fa misy ny vehivavy mamono vady (lehilahy). Misy izany fa vitsy. Mandritra izany, tokony harafitra ny lalàna mikasika ny herisetra an-tokantrano atsy ho atsy, izay manome fampahafantarana ny tranga toy itony, ary hanoro lalana ny tokony ataon'ny vehivavy Angoley.

Clara Onofre

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.