Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Malezia: Maka lesona avy tamin'ny tondra-drano nandravarava

Nahatratra ny faritra maro tany amin'ny firenena Sarawak any Malezia tamin'ny herinandro farany teo ny tondra-drano. Mihoatra ny 8 000 ny olona tany amin'ny Distrikan'i Bau no nafindra ho amina fialofana vonjimaika 24. Ity tondra-drano ity no ratsy indrindra tao anatin'ny telo taona. Nahatratra ny valahina ny haavon'ny rano.

bau

flood
Tondra-drano tany Bau, Sarawak. Sary avy amin'ny bolongan'i Denis

Manainga ny fitondram-panjakana haka lesona avy amin'ny tondra-drano i a better future :

“Immediate relief was going on quite well but the Government could have done better if they had marked all the flood sections of the roads with bamboo poles or other alternatives with clear signs to show how deep the flood level is. It would have made it easier for monitoring as well as for traffic to decide whether to “swim” through or not. These markers can be used for future planning especially in the upgrading of the main trunk roads.

“Thus unless we have proper records of flood levels in flood prone areas to guide future planning and implementation of projects, we will have more unnecessary problems due to poor implementations by the respective agencies involved in future.

“Hopefully the Government has learned all the lessons so that future floods will be less disruptive, not only in Bau but throughout Sarawak and if possible Malaysia. The main trunk roads should be built to be weather-proof, meaning the level to which they must be constructed must be above the highest known flood level. Police stations and critical government buildings must be sited in non flood prone areas, where possible. If not, then the site of any buildings should be dumped to raise it above the known flood level at the very least. Access to these buildings must be also flood proofed where possible.”

Mety ho nizotra soa amantsara ary nahombiazana ny nataon'ny mpitondra raha voamarika mialoha avokoa ny lalana tondraky ny rano nanatsatohana bararata na zavatra hafa manamarika mazava ny halalin'ny rano. Tokony ho mora kokoa ny fanoroan-dalana ny mpandeha raha mety ny “miroboka anaty lalana” na tsia. Tokony hampidirana hatao marika an-dalana rahampitso ny marika tahaka ireny indrindra rehefa misy indray ny fanavaozana ny lalana.

Amin'izay fotoana izay mba mahalala ny haavon'ny rano isika any amin'ny faritra mora tondraka rehefa misy indray ny fametrahana foto-drafitr'asa (lalana), dia tsy ho tratry ny olana noho ny famitana asa tsizarizary ataon'ny mpanantanteraka ny asa intsony isika rahampitso.

Manantena ihany aho fa nahazo lesona hiatrehana ny tondra-drano manaraka tsy hanohintohina loatra intsony, tsy eto Bau ihany fa manerana an'i Sarawak na Malezia manontolo mihitsy aza. Tokony hahazaka ny toetr'andro avokoa ny lalana lehibe rehetra, izany hoe tokony ho avo kokoa noho ny haavon'ny rano ambony indrindra fantatra no anorenana azy. Tokony hiorina amin'ny faritra tsy tratran'ny rano ihany koa ny tranom-panjakana sy ny biraon'ny polisy rehetra, raha azo atao. Fa raha tsy izany kosa tokony tsy asiana na inona na inona ny rihana mora tratran'ny tondra-drano ka akarina ny rihana hatao toeram-piasana. Tokony hahazaka tondra-drano ihany koa ny fidirana amin'ireny tondra-drano ireny raha azo atao.

Mandrisika ny resaka tondra-drano hatao laharam-pahamehana mialoha ny raharaha vahiny hafa iThe Lost Aborigine:

“How about the flood relief to those affected area especially those poor villages like Serian, Padawan, Bau and some in Sibu and Miri? Why we so busy with Gaza but our own people are helpless and dying? The Malaysian attitude is that we ignore our household affair and get busy with other issue that it less related to us.”

Dia ahoana moa izany ny amin'ireo tanàna mahantra mora tondraky ny rano sahala amin'i Serian, Padawan, Bau ary ny hafa any Sibu sy Miri? Nahoana isika no variana amin'i Gaza nefa ny olona eto amintsika koa mila famonjena mitady ho faty? Fihetsika Maleziana mihitsy io tsy mahalala ny raharahan-tokantranon'ny tena nefa variana amin'ny mikasika antsika io.

Nomarihin'i Nana Natu moa fa ity tondra-drano ity no ratsy indrindra tao anatin'ny 20 taona:

“Sarawak River showed yesterday its might when it burst it banks and water spilled into Kuching Waterfront.And the floods descrides by Kuchingites as the worst flood in 20 years, caused massive trafic jam, halted business and caused panic among some who anticipated that worst was yet to come. There were no warnings. The flood this year is worse then the one in 2004.And the floods caused 119 schools closed.”

Nasehon'ny reniranon'i Sarawak omaly ny heriny rehefa nivoaka ny molony izy ka nitondraka an'i Kuching izy. Nolazain'ny Kunchingites (mponina any) fa ity no tondra-drano ratsy indrindra tao anatin'ny 20 taona, niteraka fitohanan'ny fiara, nampitsahatra ny raharaha sy nampikoropaka ireo efa niahiahy fa mbola ho avy ny ratsiraty kokoa. Tsy nisy fampilazana mialoha. Mbola ratsy noho ny t@ 2004 ny tondra-drano tamin'ity fotoana ity. Nampikatona sekoly 119 moa ny sekoly.

Nanoratra ny mety ho anton'ny tondra-drano i Sounding Intelligent :

“I am in no position to say what the actual cause of the recent flood is but I firmly believe that it is man-made. After all, who constructed levees that forced rivers into narrow channels? Who destructed the wetlands that once absorbed excess rainfall? Who contributed to global warming?

“Global warming is a real threat. It is affecting weather patterns, creating a modest increase in violent downpours and melting ice all over the world, causing an avalanche of effects.

“Despite these warnings, some people still continue to be selfish, refuse to switch to cleaner fuels or reduce their carbon footprints somehow.”

Tsy dia tena mahalala marina ny anton'ity tondra-drano ity aho nefa mino mihitsy fa noho ny nataon'olona io. Fa iza tokoa moa no nanorina fefiloha kely hampidirana ny ranon'ny renirano be io? Fa iza no nandrava ny honahona nitroka ny rano be loatra teo aloha? Fa iza no nahatonga ny fiakaran'ny hafanana?

Ny fiakaran'ny hafanana amin'ny ankapobeny no tena zava-doza. Io no mampiova ny toetr'andro, mampahery vaika ny ranon'orana sy mampitsonika ny ranomandry manerana ny tany, sy mampiteraka zavatra maro hafa be dia be.

Fa na dia maro aza ny fampitandremana natao, mbola tia tena ihany ny olona, tsy mety mampiasa angovo madio izy na mampihena ny rivotra karibonika fandaniny.

Tsy voafetra tao Malaysia ihany moa ny tondra-drano fa nahazo ny faritr amaro tany Philippines, Indonesia ary Fiji ihany koa.

Mong Palatino

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.