Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

16 Janoary 2009

Tantara tamin'ny 16 Janoary 2009

Myanmar:Mpanao fihetsiketsehana sivy no voasambotra nandritra ny fidinana an-dalambe

Tsy taona vaoavao mahafinaritra tamin’ireo sivy mpikambana ao amin’ny National League for Democracy izay voasambotra teo akaikin’ny Parlemanta izay natsangana ao Rangoon, tany Myanmar tamin’ny talata (30 desambra) lasa teo raha teo ampangatahana ny fampiarana ny demokrasia amin’ny endriny Aung Sam Suu Kyi

Tondra-drano any Fiji : “Safotra ny tanàna”

Nanomboka avy ny orana tany Fiji ny alarobia 7 janoary ary tsy nijanona izany raha tsy tafahoatra ny herinandro. Izay no izy – ary tsy mbola milamina izahay — olona valo no maty (olona telo no tsy hita popoka), manakaiky ny 10 000 ny olona rava trano omena fialofana ary...

Mamolavola lalàna hifehezana ny aterineto sy ny famahanam-bolongana i Kambodza

Eo ampandrafetana ny lalàna hanitarana ny ny lalàna misy ankehitriny hisahana ny endrika fampitam-baovao hafa, ka tafiditra amin'izany ny aterineto ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Kambôdziana. Araka ny fanadihadiana tsy ara-panjakana moa dia mihoatra ny 70 000 ankehitriny ny isan'ny mpampiasa aterineto any Kambôdza amin'izao fotoana izao. Hanitatra ny andraikitry ny Minisitera...

Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge. Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa : بكاء .. وألم .. وعجز .....