- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitohy ny fandripahana any @ valan-java-boary any RDC

Sokajy: R.D. Kongo, Tontolo_iainana

Araky ny tatitra, mangigina kely ny ady any kivu avaratra, faritany any RDC. Misy ihany na dia izany ny adiady madinidinika mety mahafaty. Araka ny voalazan'ny bolongana WildlifeDirect [1], nisy toejavatra roa nitranga nahafatesan'olona tany amin'ny valanjavaboary any RDC.

Manome ny fanadihadiana isan-karazany momba ity vaovao ity i Paula Kahumbu – ao @ blaogy fiarovana ny Gorille [2] – no hitaterana fa misy ny fifanandrinana eo @ mpioko National Congress for the Defense of the People (CNDP) [3] (na kongresim-pirenena ho fiarovana ny olona)sy ny milisy Mai Mai mpanohana ny mpitondra fanjakana. Tao an-tanĂ nan'i Mabenga,tokony 90 kilaometatra avaratry ny faritry ny renivohitra Goma izay nahafatesana olona 6 no nisian'ny ady. Nafindra toerana hananganana ny toby ho an'ny mpiambina ny vala-java-boary Virunga [4] ny tananan'i Mabenga saingy ampiasain'ny CNDP ho toby miaramilany.

Milisy Mai Mai ireo 6 maty ireo.tsy nisy naninona kosa ny avy @ CNDP araka ny nolazain'ny mpitarika laurent Nkunda.
Etsy andanin'izany,any tsefafatsefaky ny tendrombohitra Tshiaberimu any, dia maty noho ny ratra nifanaovana t@ fanafihan'ny MaiMai,araka izay efa voalazan'ny blaogin'i Tshiaberimu [5] t@ 9 janoary 2009, ny mpiambina miasa ao @ tetikasa fikarakarana ny gorille iray. Voatifitry ny balan'ny mpioko moa ity mpiambina Safari Kakule (eo @ sary) ity nandritra ny niarovan'ny mpiambina ny tobiny.

Mandria am-piadanana ry Safari.

Samuel Maina [6]