- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espaina: Mpiara-miasa amin'ny GV Lingua voafantina

Sokajy: Espaina, Media sy Fanoratan-gazety, Teknolojia

Maro amin'ireo vohikala Global Voices Lingua na Global Voices voadika amin'ny teny hafa no miara-miasa amin'ny vohikalana mpampita vaovao hafa hifanakalo RSS amin'ny lohateny mba hahazoany mpamaky bebe kokoa amin'ny fiteny samihafa. Samy mahazo tombotsoa noho ny fiaraha-miasa ny Global Voices teny Espaniola [1] sy ny Periodismo Ciudadano [es] [2] (fanaovan-gazetin'olo-tsotra) miorina any Espaina.

Vao tsy ela akory izay dia voafantina hifaninana amin'ny fifaninanana andiany fahatelon’ ny Las Mejores Miradas [es] [3] sokajy “Tetikasa aterineto tsara indrindra” tohanan'ny TVE (fahitalavitra espaniola) ny Periodismo Ciudadano.

Ny tetikasa hafa hifaninana amin'io moa dia ahitana ny Soitu [es] [4], Rockola [es] [5], Vertele [es] [6] ary ny Minube [es] [7].

Ao amin'ny vohikalany moa ny Periodismo Ciudadano dia manambara ny tenany ho miezaka mba ho “toerana faka tahaka” amin'ny fitateram-baovaon'olo-tsotra [8] any amin'ny tontolo Espaniola. Ny mpanangana sy ny mpiara-miasa amin'io vohikala io moa efa mirotsaka amin'ny tetikasa samihafan'ny fanaovan-gazety, fampitam-baovao an-tserasera ary ny fifandraisandavitra:

Periodismo Ciudadano es un lugar para el debate. Desde estás páginas ofreceremos toda la información y recursos que existen sobre periodismo ciudadano, noticias de medios ciudadanos y blogs que tratan estos temas. Es un proyecto abierto a todos los que deseen participar enviando noticias, enlaces, comentando, dialogando o debatiendo sobre esta nueva forma de hacer periodismo.

Toeran'ny fiadian-kevitra ny Periodismo Ciudadano. Manolotra anareo ny fampahafantarana sy ny vaovao rehetra mifandraika amin'ny fanaovan-gazetin'olo-tsotra, vaovao momba ny fitaovam-pampitam-baovao ary ny bolongana miresaka ireo lohahevitra ireo izahay amin'ireo takelaka ireo. Misokatra ho an'ireo rehetra te-handray anjara amin'ny fandefasana vaovao, rohy, fanehoan-kevitra na te-hiady hevitra momba ny fomba vaovao amin'ny fanaovan-gazety ny tetikasa

Hatramin'ny faran'ny volana janoary ao amin'ny vohikalaTras La 2 [es] [9] no hanatontosana ny fifidianana . Amin'ny volana martsa no hanomezana ny loka ho an'ny mpandresy.

Eduardo Avila [10]