14 Janoary 2009

Tantara tamin'ny 14 Janoary 2009

Palestina: “Toa efa simba sahady na ny hoavinay aza eto Gaza”

  14 Janoary 2009

Anatin'ity jery todika momba ny hafatra anaty blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika adolantsento iray vao avy namoy ny namany ary manahy mafy ny amin'ny ainy koa, mpiasan'ny fahasalamana iray maty raha iny izy handeha hamonjy olona iny indrindra, ary lehilahy iray nilaza ny tsy fironany amin'ny resaka politika:...

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.

  14 Janoary 2009

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra...

Mitohy ny fandripahana any @ valan-java-boary any RDC

  14 Janoary 2009

Araky ny tatitra, mangigina kely ny ady any kivu avaratra, faritany any RDC. Misy ihany na dia izany ny adiady madinidinika mety mahafaty. Araka ny voalazan'ny bolongana WildlifeDirect, nisy toejavatra roa nitranga nahafatesan'olona tany amin'ny valanjavaboary any RDC. Manome ny fanadihadiana isan-karazany momba ity vaovao ity i Paula Kahumbu –...

Madagasikara: Tohin'ny Prison Break, fandoroana ny fonjan'Ambalatavoahangy

  14 Janoary 2009

Taorian'ny fahavakisana fonja misesisesy nanerana an'i Madagasikara tamin'ny herinandro, dia notaterin'i Jentilisa fa may ny fonja hafa any Toamasina ( morontsiraka atsinanan'i Madagasikara) omaly ( 13 Janoary) [mg]. Nitatitra ny fisian'ny setroka mitakovona sy ny feom-basy 5 ny nanatrimaso. Mbola hofantarina moa ny anton'ny setroka sy ny feom-basy. Lova Rakotomalala

Espaina: Mpiara-miasa amin'ny GV Lingua voafantina

  14 Janoary 2009

Maro amin'ireo vohikala Global Voices Lingua na Global Voices voadika amin'ny teny hafa no miara-miasa amin'ny vohikalana mpampita vaovao hafa hifanakalo RSS amin'ny lohateny mba hahazoany mpamaky bebe kokoa amin'ny fiteny samihafa. Vao haingana teo koa dia nanangana izay fiaraha-miasa izay ny Global Voices amin'ny teny Espaniola sy ny Periodismo Ciudadano, izay voafantina ho "Tetikasa aterineto tsara indrindra" ao amin'ny fifaninanana Las Mejores Miradas izay tohanan'ny fahitalavitra Espaniola.