Palestina: Sekolin'ny Firenena Mikambana voadaroka baomba; maherin'ny 40 no maty

Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva (GMT+2), dia nanao tatitra ny Al Jazeera amin’ny teny anglisy fa voadaroky ny balan'ny tanky roa ny teo an-tokotanin'ny sekolin’ny Firenena Mikambana. Io sekoly izay miorina ao Jabaliya io dia navadika ho trano fialofan'ny mponina ao Gaza rava trano na voatery nandao ny fonenana. Raha araka ny nolazain'ny Al jazeera amin’ny teny anglisy dia maherin’ny 40 ireo namoy ny ainy. Ao amin’ny fahitalavitra Al Jazeera amin’ny teny anglisy (azo jeren'ny manerantany an-tserasera ao amin’ny Livestation.com) no nitaterana fa ny IDF dia efa nomena fangitra GPS ny toerana misy ireo sekolin’ny Firenena Mikambana rehetra.

The Philistine dia nitatitra haingana momba io trangan-javatra io :

Medical officials say the death toll from an Israeli airstrike outside a United Nations school in the Gaza Strip has risen to 30.

The attack occurred about 10 yards (meters) outside the school in northern Gaza. It was the second deadly Israeli attack to strike a UN school in the past few hours.

Hospital director Bassam Abu Warda confirmed the 30 deaths from the second airstrike.

In both cases, the schools had been used as shelters for people displaced by Israel’s offensive

A top U.N. humanitarian official has condemned the violence and demanded an investigation.

Israel isn’t commenting.

Nolazain'ny mpitondra tenin'ny sampan-draharaham-pahasalamana fa niakatra ho 30 ny isan'ny maty tamin'ny daroka baomba nataon'ny fiaramanidina mpiady Isiraeliana teo an-tokotanin'ny fianaran’ny firenena mikambana ao Gaza.
Sahabo 10 metatra ivelan’ny sekoly avaratry Gaza ity no nianjeran'ny baomba. Ity no fanafihana isiraeliana faharoa nahafatesana olona tamina sekolin'ny Firenena Mikambana tao anatin’ny ora vitsy.
Bassam Abu Warda talen’ny tobim-pitsaboana dia nanamafy fa 30 ny olona maty nandritra ny fanafihan’ny fiaramanidina nandatsaka baomba fanindroany.
Ao anatin’ireo toe-javatra roa ireo ny sekoly dia nampiasaina mba ho fialofan’ireo izay nifindra monina noho ny fanafihan’Isiraely ny sekoly.
Ny lehiben’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona dia nanameloka ampahibemaso ny herisetra ary nangataka hisian'ny famotorana. Tsy niteny na inona na inona Isiraely.

Ny Syria News dia nitatitra haingana koa nanambara fa:

40 people have now died after Israel’s bombing of a UN school in Gaza. 400 Palestinians were being given shelter there by the UN.

40 ny olona namoy ny ainy hatramin’izao tao aorian’ny daroka baomba tao amin’ny sekolin’ny Firenena Mikambana any Gaza.400 ireo nahazo fialofana tao amin’ny Firenena Mikambana.

Nahery vaika ny navalin'ny mpampiasa Twitter, avy any Londres, dominiccampbell, ny vaovao :

Manontany tena aho hoe hahasahy hilaza ve Isiraely fa nafindran'ny Hamas ny sekolin'ny Firenena mikambana ka nametraka azy ho ao anatin'ny kinendrin'ny tanky.

Nanafintohina ny mpampiasa Twitter Finlandey haloefekti ny tsy fahampian'ny tabataba momba ny resaka:


Miandry ny fanamelohana ataon'ny Iraisam-pirenena – sekoly tantanin'ny Firenena Mikambana io #Gaza tena fahadalana mangarangarana izao.

Jillian York

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.