Bangladesh: Fahanam-bolongana tsikelikely ny fifidianana

Ao anatin'ny ora vitsivitsy (29 desambra) dia hifidy ny antenimiera fahasiviny ny Bengalis miisa 81 arivoarivo (51% n'ireo ny vehivavy). Kihondalana lehibe eto amin'ny firenena ity fifidianana ity fa haverina indray ny demaokrasia rehefa nitondra azy tao anatin'ny hamehana nandritra ny tetezamita roa taona ny hery mitam-piadiana [miaramila].

Efa niresadresaka momba ny fampiasana ny aterineto mandritra ny fampielezankevitra sy ny asa fampahafantarana ny fifidianana isika tany alohaloha tany. Ankehitriny indray isika manana fivoarana mahaliana.

Nampiditra ny twitter ho fototry ny vondrona famahanam-bolongana azo andefasan-kafatra amin'ny alalan'ny web na finday (sms) hanapariahana ny vaovaon'ny fifidianana aelin'ny mpiserasera ny Somewhere in, orinasan-drindrambaiko sa dy mpamakilay tamin'ny vondrom-bolongana bangla manerantany. Azo alefa mivantana amina sarintany ifandrimbonana ahafahana mijery ny vaovao any am-potony ihany koa ny hafatra.

Arild Klokkerhaug, filohan'ny Opportunities of Somewherein dia manankambara toy izao amin'ny mpilatsaka hofidiana:

Ry Mpilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana ho antenimieran'i Bengladesh 2008:

Ity misy fanamarihana kely lazaiko anao sao mbola tsy fantatrao, fa tsy resaka fitadiavam-bola toy ny nahazatra intsony ny fifidianana sy ny fifikirana mafy amin'ny sezam-pahefana ao amin'ny Antenimiera. Rahampitso, dia afaka mahahenika an'izao tontolo izao izay vaovao farany avoakan'ny mpamaham-bolongana.

Sambany amin'ity indray mitoraka ity, eo amin'ny tantaram-politikanareo, no manaramaso anareo ny mpitoraka blaogy. Tsy ireo manam-pahaizana vitsy kely ihany, fa 30 000 izahay mpamaham-bolongana Bangla no mitazana anareo. Vondrona blaogy maro samihafa no anaoratanay ary saiky vakiana isam-pirenena manerantany ny soratray.

Hanampy anareo izahay amin'ny ezaka ataonareo hananganana firenena matanjaka sy tsy mena-mitaha ary hampiely ny vaovao tsara amin'izao tontolo izao. Nefa, dia hotazoninay ho tompon'andraikitra ianareo ary hotaterinay izay jabaka rehetra [vitanareo]. Tsy hanadino na oviana na oviana ny blaogy, tsy hangina mandrakizay ny mpitoraka blaogy, tsy mahalala sisintany ny aterineto. Ka ataovy ara-drariny izy ity.

Ny fitaovana hampiasain'ny mpamaham-bolongana:

hifampizara vaovao tselatra eo amin'ny microblog-mpifidianana
– misoratra anarana dia manindry ny 5455 amin'ny aterineto na sms : ! hafatrao

afaka mandefa mivantana ny sms eo amin'ny sarintany ifandrimbonana ny mpamaham-bolongana
– mandefa sms amin'ny 5455: ! hafatrao @toerana ka jerena ny disthrikany

afaka manadihady sy mitantara eo amin'ny bolongam-pifidianana ny mpamahambolongana

Afaka mizara ny vaovaon'ny microblogs (bolongana madinika) farany amin'ny bolongana rehetra ny mpamaham-bolongana

SWI-New Age

Ny fitantarana mivantana, ny lahatsary isan-karazany ary ny fandraisam-peo (sy sary) amin'ny aterineto ny valim-pifidianana dia azo jerena amin'ireto vohikala ireto:

Manolotra ny widget manome ny vaovao faran'ny fifidianana (amin'ny teny bangla) ary azo apetraka mahazo ny ankilan'ny lahatsoratry ny bolongana rehetra ny sehatra hafa momba ny famahanam-bolongana sachalayatan.

Rezwan

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> koloina

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.