- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: gazety lasibatry ny ady any Gaza

Sokajy: Iràna, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety

Nakaton'ny [1] fitondrana iraniana ny gazetin'ny fanavaozana, Kargozaran. Bolongana sy vohikala vaovao maro no nitatitra fa lasa lasibatra noho ny krizy any Gaza ny Kargozaran [2].  Navoakan'ny Kargozarn manko ny fanambarana nataon'ny fikambanan'ny mpianatra (Tahkim Vahdat [3]) izay “manameloka an'isiraely sy ny vondrona mpampihorohoro miafina sy mialokaloka any an-tsekoly sy hopitaly any (Gaza)”.

Hamid Tehrani [4]