- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Israely, Jordania, Maoritania, Palestina, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mpitsoa-ponenana, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Vonjy Voina

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter [1] , na mizotra izao ny tantara [2]. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia lasa lavitra ny fandraisana anjara amin'ny ady hevitra ao amin'ny tontolon'ny Twitter.

Mampiasa hashtags [3] ny mpikirakira ny Twitter mba hamatsiana ny votoaty tiany hovakiana ; dia afaka mandeha ao amin'ny Twitter Search [4] avy eo ary mitady lahatsoratra amina lohahevitra manokana. Amin’ity fisehon-javatra iray ity dia ny hashtag tena fampiasa indrindra dia ny #gaza [5], raha toa ka  #gazawarofwords [6] dia manaraka ny fampitam-baovao fotsiny. Ny fikarohana amina alalana hashtags hafa iadian-kevitra no nampivoaka ny  #israel, #syria, #baghdad, #2states, and #rafah, ao anatin'ny maro. “Mi-tweet indray mandeha koa ” ny vaovao avy amin'ny hafa ny mpampiasa mba ahafahana mampiely haingana kokoa ny votoaty; ohatra iray [7]:

[7]

Filaharambe any Damasy hanoherana ny vono olona any Gaza http://is.gd/dPNz [8]

Ilay faingana raha hanome vaovao shelisrael [9], mpampiasa Twitter any California, nanamarika  tamin'ny omaly [10] fa ny Twitter no anisan'ny sehatra voalohany ahafahana manao adi-hevitra malalaka tahaka izao:

[10]

Dia mila miala any #Gaza ao anatin'ny fotoana vitsivitsy mihitsy aloha aho, miala tsiny aho raha miteny izany. Mahagaga fa afaka miresaka eto an-tanànan'i Twitter ny olona any Gaza sy Isiraely.

Nanomboka tamin'io fotoana io, niditra tao anaty ady hevitra salama izao tontolo izao, indraindray maneho fahatezerana, fa ny tena zava-dehibe dia ny fitateram-baovao; ireto ohatra manaraka ireto dia resaka ifampiresahan'ny avy any Palestina, Maoritania, ary any San Francisco ( US):

weddacy: Ny gazety frantsay l'express mampiasa ny voambolana “Fanjakana jiosy” rehefa mitatitra ny vaovao any #gaza
Sillysgod: ny foxnews mampiasa ny teny “mpitolona” rehefa miresaka ny mpikambana ao amin'ny Hamas miteny ny “mpampihorohoro”Ahmadization: Misy filaharambe indray izao any Gaza sy Rafah. loharano: sns.

Bobpick: Manohana ny zon'isiraely hiaro ny tenany amin'ny tifitra variraraka aho. Mino aho fa mody manao ho iharamboina ny Hamas nefa izy ireo no meloka.

Miteraka fanontaniana mafana sy firehan-kevitra ilay karazana resaka misokatra. Skinner, avy any Oxford, UK nampandalovana an’I Amman, Jordan, dia manontany [11]:

YaelBeeri [12], mampiasa ny Twitter avy any Isiraely kosa  mampisongadina [13] ny fahasamihafankevitra:

[13]

Zavatra hafa mahavariana anaty resaka Tweeter dia ny fanadihadiana ny rako-pivelaran’ny vaovao.#gazawarofwords [6], hashtag nampidirin'ny mampiasa Twitter weddady [14], no ivom-panangonana vaovao amin'ny karazana tati-baovao tahaka itony:

Ny fomba tsara indrindra hanarahana ny vaovao farany amin'ny Twitter updates dia ny mijery ny loharanom-baovao niaviany; Twitter Search [4] RSS feeds no ampiasaina amin'ny teny tahaka ny  (e.g. #gaza [15]) ary tsotra ny mandray anjara ao anatiny.

Jillian York [16]