Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia lasa lavitra ny fandraisana anjara amin'ny ady hevitra ao amin'ny tontolon'ny Twitter.

Mampiasa hashtags ny mpikirakira ny Twitter mba hamatsiana ny votoaty tiany hovakiana ; dia afaka mandeha ao amin'ny Twitter Search avy eo ary mitady lahatsoratra amina lohahevitra manokana. Amin’ity fisehon-javatra iray ity dia ny hashtag tena fampiasa indrindra dia ny #gaza, raha toa ka  #gazawarofwords dia manaraka ny fampitam-baovao fotsiny. Ny fikarohana amina alalana hashtags hafa iadian-kevitra no nampivoaka ny  #israel, #syria, #baghdad, #2states, and #rafah, ao anatin'ny maro. “Mi-tweet indray mandeha koa ” ny vaovao avy amin'ny hafa ny mpampiasa mba ahafahana mampiely haingana kokoa ny votoaty; ohatra iray:

Filaharambe any Damasy hanoherana ny vono olona any Gaza http://is.gd/dPNz

Ilay faingana raha hanome vaovao shelisrael, mpampiasa Twitter any California, nanamarika  tamin'ny omaly fa ny Twitter no anisan'ny sehatra voalohany ahafahana manao adi-hevitra malalaka tahaka izao:

Dia mila miala any #Gaza ao anatin'ny fotoana vitsivitsy mihitsy aloha aho, miala tsiny aho raha miteny izany. Mahagaga fa afaka miresaka eto an-tanànan'i Twitter ny olona any Gaza sy Isiraely.

Nanomboka tamin'io fotoana io, niditra tao anaty ady hevitra salama izao tontolo izao, indraindray maneho fahatezerana, fa ny tena zava-dehibe dia ny fitateram-baovao; ireto ohatra manaraka ireto dia resaka ifampiresahan'ny avy any Palestina, Maoritania, ary any San Francisco ( US):

weddacy: Ny gazety frantsay l'express mampiasa ny voambolana “Fanjakana jiosy” rehefa mitatitra ny vaovao any #gaza
Sillysgod: ny foxnews mampiasa ny teny “mpitolona” rehefa miresaka ny mpikambana ao amin'ny Hamas miteny ny “mpampihorohoro”Ahmadization: Misy filaharambe indray izao any Gaza sy Rafah. loharano: sns.

Bobpick: Manohana ny zon'isiraely hiaro ny tenany amin'ny tifitra variraraka aho. Mino aho fa mody manao ho iharamboina ny Hamas nefa izy ireo no meloka.

Miteraka fanontaniana mafana sy firehan-kevitra ilay karazana resaka misokatra. Skinner, avy any Oxford, UK nampandalovana an’I Amman, Jordan, dia manontany:

YaelBeeri, mampiasa ny Twitter avy any Isiraely kosa  mampisongadina ny fahasamihafankevitra:

Zavatra hafa mahavariana anaty resaka Tweeter dia ny fanadihadiana ny rako-pivelaran’ny vaovao.#gazawarofwords, hashtag nampidirin'ny mampiasa Twitter weddady, no ivom-panangonana vaovao amin'ny karazana tati-baovao tahaka itony:

Ny fomba tsara indrindra hanarahana ny vaovao farany amin'ny Twitter updates dia ny mijery ny loharanom-baovao niaviany; Twitter Search RSS feeds no ampiasaina amin'ny teny tahaka ny  (e.g. #gaza) ary tsotra ny mandray anjara ao anatiny.

Jillian York

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.