- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isiraely: “hamelabela-kevitra” @ Twitter ny Masoivohony any Etazonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Alemaina, Etazonia, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Vaovao Mafana, Vonjy Voina

Notaterin'ny [1] orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter [1]. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay [2] sy Gaza [3] indrindra ny Twitter.

Efa miditra amin'ny fampiasana ny Twitter koa ny fitondram-panjakana elaela izay. Mampiasa fisoratana anarana Twitter maromaro ohatra ny fitondrana Amerikana [4] (anatin'izany ny @USAGov [5], @TheWhiteHouse [6], ary ny @NASA [7]), ary azo itokisana fa hanara-dia ihany koa ny fitondram-panjakan'ny firenenkafa. Amin'ity tolakandro ity, anatin'izao ady mangotraka eo amin'ny Isiraely-Gazà izao, dia nisoratra anarana tao amin'ny Twitter ihany koa ny Masoivoho Isiraeliana ao New York. Toy izao ny vakin'ny soratra voalohany [8]:

[8]

Tonga soa ho an'izay ho mpamaky vaovaonay. Aza miala fa hiorina eto amin'ny Twitter izahay.

Fotoana fohy taorian'izay dia nanambara ny masoivoho fa hanao famelabelaran-kevitra ho an'ny mpanao gazety ny Talata 30 Desambra amin'ny 1-3 ora (EST) tolakandro :

Hamaly ny fanontanianao eto amin'ny Fampitam-baovaon'olom-pirenena ny kaonsilin'isiraely ny talata 30 des, @ 1ora ka hatramin'ny 3 ora tolakandro (ora atsinanan'iEtazonia) #AskIsrael#gaza#sderot

Vao sambany, ary fotoana tokana hametrahana kianjam-pifanakalozan-kevitra indrindra mandritra ny fotoanan'ny krizy ho ana goernemanta ny “famelabelaran-kevitra”. Afa-nanontany zavatra maro tokoa ny mpampiasa ny Twitter, ary afa-nanaraka ny resadresaka tamin'ny fampiasana ny teny famantarana #AskIsrael [9] . Atoa David Saranga [10], Kaonsily miandraikitra ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety sy ny raharaham-bahoaka ho an'Isiraely any Etazonia, no endrika ambadiky ny fisoratana anarana tao amin'ny Twitter.

Efa nanontany tokoa ny mpampiasa ny Twitter. gyokusai [11], mipetraka any Alemana ohatra nanontany hoe:

[11]

Fanontaniana ho amin'ny ho avy : Ahoana ny ho fiantraikan'ny fanafihana amin'ny fifidianana ary inona no mety ho fiantraikany raha TSY mamaly ny balatafondro avy any Gaza?

Mamely i travmavg [12]:

Darohanareo ny baomba i Gaza ho valin'ny fandarohany baomba? Inona moa no antenainareo fa havaliny? Tsy afaka manohana anareo ao anatin'ny herisetra aho.

Hita ao amin'ny bolongan'ny [13] masoivoho avokoa moa ny antsipirian'ny famelabelaran-kevitra.

Jillian York [14]