Notaterin'ny orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay sy Gaza indrindra ny Twitter.
Efa miditra amin'ny fampiasana ny Twitter koa ny fitondram-panjakana elaela izay. Mampiasa fisoratana anarana Twitter maromaro ohatra ny fitondrana Amerikana (anatin'izany ny @USAGov, @TheWhiteHouse, ary ny @NASA), ary azo itokisana fa hanara-dia ihany koa ny fitondram-panjakan'ny firenenkafa. Amin'ity tolakandro ity, anatin'izao ady mangotraka eo amin'ny Isiraely-Gazà izao, dia nisoratra anarana tao amin'ny Twitter ihany koa ny Masoivoho Isiraeliana ao New York. Toy izao ny vakin'ny soratra voalohany:
Fotoana fohy taorian'izay dia nanambara ny masoivoho fa hanao famelabelaran-kevitra ho an'ny mpanao gazety ny Talata 30 Desambra amin'ny 1-3 ora (EST) tolakandro :
Vao sambany, ary fotoana tokana hametrahana kianjam-pifanakalozan-kevitra indrindra mandritra ny fotoanan'ny krizy ho ana goernemanta ny “famelabelaran-kevitra”. Afa-nanontany zavatra maro tokoa ny mpampiasa ny Twitter, ary afa-nanaraka ny resadresaka tamin'ny fampiasana ny teny famantarana #AskIsrael . Atoa David Saranga, Kaonsily miandraikitra ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety sy ny raharaham-bahoaka ho an'Isiraely any Etazonia, no endrika ambadiky ny fisoratana anarana tao amin'ny Twitter.
Efa nanontany tokoa ny mpampiasa ny Twitter. gyokusai, mipetraka any Alemana ohatra nanontany hoe:
Hita ao amin'ny bolongan'ny masoivoho avokoa moa ny antsipirian'ny famelabelaran-kevitra.