Tonga any Jordana ilay mpihazakazaka hitety an'izao tontolo izao

Mihazakazaka mamakivaky ny kaontinanta efatra hampiroborobo ny zavatra iraisan'ny kolontsaina rehetra ilay Danoà Jesper Olsen. Manoratra momba izany indrindra ny Ambasadaoro Danoà any Jordana HE.Thomas Lund-Sørensen :

As I am writing these lines the Ultra Runner Jesper Olsen from World Run II is crossing the Ramtha border control (hopefully without too much hassle) and entering Jordan. Jesper will be running through Jordan from today and is planning to exit to Egypt on the day before Christmas the 24th of December.

Ao amin'ny toby fanarahamaso ny sisitany (antenaina mba tsy hahazo fahasahiranana loatra izy) ao Ramtha amin'izao fotoana anoratana izao ilay mpihazakazaka Jesper Olsen avy amin'ny World Run II (hazakazaka mitety an'izao tontolo izao faharoa). Hihazakazaka hamakivaky an'i Jordana i Jesper manomboka androany ary efa nametraka fa hivoaka any Ejipta ny andro mialoha ny noely, 24 desambra.

From December 18th to 24th, 2008, the Danish ultra runner Mr. Jesper Olsen will run through Jordan. He is completing the World Run II Project: The North – South Run, which is the world’s longest non-stop run, aiming at completing a distance of 40.000 km passing through four continents in three years. The run began in Nordkapp, Norway, July 1st 2008 and the finish point in New Foundland, Canada, is expected to be reached by the end of 2010. When arriving in Jordan Jesper Olsen will already have completed more than 8000 km of running.

Ny 18 – 24 desambra 2008 no hamakivakian'Atoa Jesper Olsen an'i Jordana. Eo ampanantanterahana ny World Run II izy: Hazakazaka avaratra-atsimo, izay hazakazaka lava indrindra tsy ankijanona, kendrena hahavitana halaviran-dalana 40 000 km mitety kaontinanta efatra ao anatin'ny telo taona. Niainga tany Nordkapp, Nôrvezy tamin'ny 1 jolay ny hazakazaka ary hifarana any New Foundland, Canada, izay antenaina ho tratra mialoha ny fiafaran'ny taona 2010. Efa nahavita hazakazaka 8 000km i Jesper Olsen amin'izao fidirany eto Jordana eto izao.

Having met Jesper tonight I can say he feels fit and very welcome in Jordan. Passing the Ramtha border was a piece of cake – he was officially saluted “Ahlan wa Sahlan” by a small detachment in uniform and received various maps.

Raha nihaona tamin'i Jesper aho halina di hitako salama tsara ny lehilahy ary tonga soa eto Jordana tokoa. Nahafinaritra (toy ny mofomamy) ny niampitana sisintany tany Ramtha – ary noraisin'ny vondrona manao fanamiana tamin'ny fomba ofisialy hoe “Ahlan wa Sahlan” ary nahazo sarintany maromaro.

Today Jesper ended up just outside Amman on Jordan Street. Tomorrow he and Ammar Sabbah together with other Amman Road Runners will run to JRTV for a live interview on Ammar’s show “Beiti” on Jordan television and then continue towards the south. Other runners should feel free to join. Both Jordan Times and Jad’s blog wrote about the World Run Project. It is a truly unique and enormous project and for once something that is far away from politics.

Vao avy namakivaky ny araben'i Jordan ivelan'i Amman indrindra i Jesper. Rahampitso izy sy Ammar Sabbah miraka amin'ireo mpihazakazaka an-dalan'i Amman dia hihazakazaka hizotra ho any amin'ny JRTV (jordan radio television?) hiresadresaka mivantana ao amin'ny fandaharana “Beiti” ary dia hanohy ny dia mianatsimo. Afaka mandray anjara malalaka avokoa ny mpihazakazaka hafa. Samy niresaka momba ny World Run Project avokoa na ny Jordan Times na ny bolongan'i Jad. tetikasa tokana sy goavana tokoa izy ity satria sambany izy ity no lavitry ny resaka politika.

Mohammad Azraq

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.