Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ejypsiana ampangain'i Arabia saodita ho mpitsikilo

Any am-ponjan'i Riyadh ampangaina ho mitsikilo eto amin'ny Fitondram-panjaka ankehitriny ny mpandamina fandaharana serasera (internet) sy haitao 27 taona Youssef Al Ashmawy.

Manoratra i Zeinobia:

Saudi Arabia is detaining Egyptian Internet activist Youssef Al Ashamawy. Youssef is being accused of spying on the kingdom for the Egyptian intelligence!! Youssef is detained or in fact is in jail since last August 2008 !!?? He was forced to sign confession with the above-mentioned accusation. He worked for an IT company that installed some systems for the Saudi Intelligence.

Notazonin'i Arabia Saodita ilay mazoto miserasera Ejipsiana Youssef Al Ashamawy. Ampangaina ho mitsikilo eto amin'ny fitondram-panjaka ho amin'ny tombotsoa Ejipsiana izy!! Notazonina na ny marina kokoa nogadraina izy hatramin'ny volana Aogositra 2008 teo!!?? Noterena hanao sonia ilay niampangana azy voasoratra eo ambony izy. Niasa tao amina orinasa nametraka ny fotodrafitr'asan'ny haitao sy ny seraseran'ny sampam-pitsikilovana Saodiana ny lehilahy.

Mieritreritra izy

Why would Egypt spy on Saudi Arabia ?? Are not we best buddies ?? Are not we the good Sunni axis that stands against the Shiite axis of Evil !!?? I do not know if Mubarak will interfere this time but I do not have high hope. Youssef has been detained since last August and Mubarak did nothing for the two doctors (who were sentenced to 1500 backlash each and prison time); in fact he visited the Kingdom and returned back without referring to them. Of course the Egyptian intelligence won’t comment or issue any press statement that denies or confirms the allegations of Saudi Arabia. They have not already issued a statement concerning Ashraf Marwan up till this moment for the record. Till now the human rights organizations in Egypt are following the matter.

From the political view I think this is an official step back in our relations with Saudi Arabia. Why now did the Kingdom announce the charge of Youssef after 4 months of his arrest ?? You do not accuse a citizen of another country of spying and expect that your relations with it will be fine. This is not the Yemeni case I am afraid for it involves one of our citizens whom I do not know what he is going to face from punishment this time.

Of course our official newspapers ignored the whole incident. They have not received the permission.

Inona no tsikilovin'i Ejipta eto Arabia Saodita ?? Angaha moa tsy mpinamana akaiky isika ?? Fa angaha moa tsy samy vondrona tsaran'i sonita miady amin'ny vondrona ratsin'i shiita isika !!?? Tsy fantatro raha hiditra an-tsehatra i Mubarak tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy dia manantena loatra aho. Efa voatazona hatramin'ny volana Aogositra i Youssef ary tsy nanao na inona na inona tamin'ny dokotera roa (izay samy voasazy kapoka 1500 tsirairay avy sy fotoana figadrana) i Mubarak; ny tena marina moa dia nitsidika ny fitondram-panjaka dia niverina tsy nisy resaka azy (telo lahy). Mazava loatra fa tsy hilaza na hanao fanambarana na inona na inona mihitsy ny sampam-pitsikilovana Ejipsiana handiso na hanamarina izay lazain'i Arabia Saodita. Hatramin'izao fotoana anoratana izao dia tsy nisy fanambarana momba an'i Ashraf Marwan nataon-dry zareo. Mbola manaraka ny raharaha koa hatramin'izao ny fikambanana miaro ny zon'olombelona.

Eo amin'ny fomba fijery politika indray, dia mieritreritra aho fa iny no dingana amin'ny hiverenana amin'ny fifandraisantsika amin'ny Arabia Saodita. Nahoana moa ny fitondram-panjaka no manambara ny fiampangana an'i Youssef efa-bolana taorian'i nisamborana azy ?? Tsy hanameloka olom-pirenena avy amin'ny firenen-kafa ianao raha manantena hanatsara fifandraisana. Tsy raharaha Yemenita fa matahotra aho satria misy iray amin'ny olom-pirenentsika tafiditra amin'ity raharaha ity izay tsy fantatra ny sazy hahazo azy.

Mazava loatra fa tsy mahalala izany ny gazety ofisialy. Tsy nahazo alalana ihany koa.

Misy Ejipsiana nilaza ny heviny tamin'ity toe-draharaha iray ity tamin'ny teny arabo sy teny anglisy nanao hoe:

يوسف العشماوى ولد كان مهندس برمجيات فى شركة فى السعودية و محبوس حاليا عشان متهم بالتخابر لحساب مصر
اللى فهمته من اللى قريته عنه انه راح يشتغل فى شركة من الشركات اللى بتمول المخابرات السعودية يعني فى عالم المخابرات الاجهزة مش بتصرف من خزينة الدولة على اد مابتصرف من ارباح مشاريع هى عاملاها حاجة كده زي الصدقة الجارية بس اللى بيستفيد هنا الجهاز
المهم واضح انه ضميره تعبه او لقى حاجة هاتضر مصر فقال لا مش لاعب فطبعا لبسوه موضوع العمالة ده
اللى عاوز اقوله ان دى اخرة اى انسان يتنازل عن كرامته لاجنبي لمجرد انه مشترك معاه فى الدين اهم قلبوا عليه و رموه فى السجن و من زمان معروف ان السعوديين بيكرهوا مصر و ابقوا قابلوني ان اهله شافوه تاني
Any am-ponja Saodiana, ampangaina ho mitsikilo ho amin'ny tombotsoan'i Ejipta, ilay mpandamina fandaharana Youssef Al Ashmawy.
Ny vinavinako avy amin'ny zavatra novakiako momba azy dia ny fiasàny tao amina orinasa saodiana nanangana ny sampam-pitsikilovana saodiana satria eo amin'ny tontolon'ny fananganana sampam-pitsikilovana dia miankina amin'ny asan'olo-tsotra izy ireny, izany hoe miasa ho an'ny sampam-pitsikilovana Saodiana izy izany indrindra fa eo amin'ny sehatry ny haitao sy ny serasera saingy toa te-hijanona amin'ilay asany noho ny antony tsy fantatra izy ka nahatezitra ny mpampiasa azy ka nanapahana ny hevitra hampidirana azy am-ponja sy iampangana azy ho mitsikilo ho an'ny Ejipsiana.
Ny zavatra tiako lazaina dia izao no vokatry ny nivarotana ny trano (tanindrazana?) noho ny finoana, ankehitriny dia lasa tsy mimpody intsony ilay zalahy satria tsy miraharaha Ejipsiana na oviana na oviana ny Saodiana

Marwa Rakha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.