RD Kongo: Krismasy nampahonena

Cedric Kalonji no manoratra ny Krisimasy “mampahonena” niainany tao Kinshasa:

Pour la première fois, j’ai vécu un Noël tranquille à Kinshasa. Pas de guirlandes dans les rues, aucune décoration, pas de musique, bref rien. Les habitants de ma ville natale semblent fatigués et rompent avec l’habitude de se dépasser pour célébrer avec faste la nativité. Dans mon quartier, la SNEL a eu la magnifique idée de nous priver d’électricité. Décidés à faire la fête malgré tout chez moi, nous avons donc renoué avec notre bonne vielle méthode de cuisson des aliments au feu de bois. Pour la musique, mon voisin a utilisé la radio de sa voiture.

Sambany, nangina ny noely nianako teto Kinshasa. Tsy nisy temotra nandravaka ny arabe, tsy nisy ravaka akory aza, tsy nisy hirahira: izany hoe tsy nisy na inona na inona. Sahala amin'ny reraka tanteraka ny mponina eto an-tananako ka tsy manao ny fahazarany intsony miezaka ny mifety amim-pifaliana rehefa amin'ny fotoanan'ny Nahaterahan'ny Mpamonjy tahaka izao. Eto amin'ny fokotaniko moa dia nanana hevitra mahafinaritra izay ny SNEL [jirama any amin-dry zareo] hanapaka tanteraka ny jiro. Fa na dia eo aza izany rehetra izany, nanapa-kevitra ny hifety hatrany izahay tato an-trano ka niverina tamin'ny fomba fahandro fahinyndray tamin'ny afo kitay e! Ny hirahira indray moa dia ny radion'ny fiaran'ny mpifanolo-bodi-rindrina no nampiasaina.

Je me souviens des années de mon enfance où les parents étaient obligés d’acheter des vêtements neufs à leurs enfants et de leur offrir des cadeaux pour Noël. En ce qui concerne la bouffe, le 25 décembre, c’était l’occasion de changer les habitudes culinaires et d’offrir des plats spéciaux à la famille. Les choses se passent différemment aujourd’hui. La pauvreté qui touche la majorité des foyers congolais change les habitudes. Ce qui me surprend c’est que les congolais, ne se plaignent toujours pas.

Tadidiko tsara tamin'izaho mbola kely fa voatery nividy akanjo vaovao ho an'ny zanany ny ray aman-dreniko ho fanomezana ho azy ireo mandritra ny noely. Ary raha teo amin'ny resaka sakafo indray dia ny 25 Desambra no fotoana fanararaotra hiovana ny nahandro mahazatra ka hanolorana sakafo manokana (hanimpitoloha) ho an'ny fianakaviana. Miova izany ankehitriny. Efa mahatratra ny ankamaroan'ny ankohonana Kôngoley ny fahantrana ka nampiova ny fahazarana. Fa ny tena mahavariana ahy dia tsy mimenomenona amin'izany ihany ny Kôngoley.

Jennifer Brea

4 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Sitrakandriamanitra Fitiavana

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.