Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?

Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana hisorohana ny tsy fahampian-tsakafo. Heverina fa misy fifanarahana mitovitovy amin'izany ihany koa eo amin'ny Emirà Arabo Mitambatra sy Sodana.

Lalana anelanelan'i Toamasina sy Antananarivo tao amin'ny foko_madagascar

Ny tatitra vao haingana indrindra dia ny navoakan'i Guardian sy ny Daily Nation izay hampanofan'i Kenya tany mirefy 40 000 hekitara amin'i Qatar. Ho takalon'izany kosa dia hanorina seranana mitentina 2,4 miliara shillings eo amin'ny nosy Lamu i Qatar.

Nampitabataba an'i Opalo, mpamaham-bolongana Kenyana ao amin'i Opalo's blog ity fifanarahana ity satria heveriny fa maka endrika vaovao indray ny fanjanahantany:

So what happens after we’ve parceled off most of Kenya to Qatar, China, India, UAE, the Saudis and just about anyone willing to pay the goons that we’ve entrusted with our political leadership? Are we gonna become squatters again? Are we gonna start being called “boy” again?

Dia inona no hitranga rehefa zarazaraina amin'i Qatar, Shina, India, Emirà Arabo Mitambatra, ny Saodiana ary izay rehetra mahaloa vola amin'ireto mpitarika politika izay nananantsika fitokisana hitarika ireto i Kenya? ho mpipetraka tsy ara-dalàna ny tany tsy an-tena indray ve isika? Ho avy indray ve ny hiantsoana antsika ho “boy” (boay)?

Dia hoy izy avy eo:

“And where exactly are the Kenyan millionaires? Can’t they afford to invest in such ventures? What are they waiting for?”

Fa lasa aiza ny manankohariana (mpanankarena) Kenyana? Tsy mahazaka ny mampiasa vola ho amin'itony raharaha itony ve ry zareo? Fa inona no andrasany?

Mbola nivembenan'ilay fifanarahana tamin'ny Koreana ihany ny mpamaham-bolongana Malagasy. Namoaka fehinkevitra momba ny fitantanana ny raharahantany eto Madagasikara avy amin'ny loa-bary an-dasy nokarakarainy tany Frantsa ny SEFAFI (na SEhatra FAnarahamaso ny FIaianam-pirenena). Ao amin'ny sehatry ny dinika ao amin'ny Yahoo momba an'i Madagasikara no namoahan'ny SEFAFI ny jery todiky ny raharaham-pifanarahana tany izay tsy nahomby sy ny lesona azo tsoahina avy amin'izany (fr):

Les démentis officiels n’ont cependant pas levé toutes les appréhensions. Vraies ou fausses informations, des leçons doivent être tirées de l’affaire Daewoo. La première leçon à en tirer est, une fois de plus, le manque de transparence pour des opérations qui engagent les ressources naturelles du pays. La prétendue gratuité du bail de 99 ans ou même une éventuelle contrepartie sous forme d’infrastructures ne fait qu’aviver les soupçons d’existence de contreparties secrètes au profit d’intérêts particuliers et au détriment de la collectivité nationale.

Tsy nahala ny ahiahy velively ny fandavana avy amin'ny mpitondra. Vaovao marina sa diso, tsy maintsy misy ny lesona azo tsoahina avy amin'ny raharaha Daewoo. Voalohany ny tsy fahampian'ny mangarahara eo amin'ny fitantanana ny harena voajanaharin'ny firenena. Ilay lazaina fa baojo ny fanofana tany mandritra ny 99 taona na hoe fananganana fotodrafitrasa no takalony dia efa ahiahy fa misy tombotsoa miafina ho an'olom-bitsy tsy ahitan'ny fiarahamonina rariny ao ambadika ao.

Mbola mahita olana ankoatra ny resaka toe-karena sy ny fomba famokarana ny SEFAFI. Nasongadin'ny SEFAFI fa mbola miaina any ambanivohitra ny 70% n'ny mponina eto Madagasikara. Mifikitra dia mifikitra amin'ny fomba fiainany ny tantsaha, dia mihisitrisitra ry zareo ny hampiasa fomba fambolena goavana (ahazoam-bokatra be dia be) satria tsy mba noheverina akory izay tena mahaliana ireto tantsaha ireto. Manolokevitra ny hanatanterahana ny fanavaozana mandeha tsikelikely ry zareo (fr):

Si l’objectif est bien de donner à l’ensemble du monde rural les moyens de gérer son propre avenir, les opérations ponctuelles de fermes pilotes ou d’élevages modèles, gérées par des groupes étrangers soucieux des paysans malgaches et donc respectueux d’une véritable démarche sociétale, seront les bienvenues. Sans empiéter sur les terres des paysans ni aliéner le patrimoine national, elles pourraient devenir un facteur d’entraînement et préfigurer ainsi l’agriculture malgache de demain

Raha mitady ny hifehezan'ny fiarahamonina ambanivohitra ny ampitsony no tena tanjona, dia ekena ny hametrahana tobim-pambolena na tobim-piompiana fitaratra, tantanin'ny vahiny mahay miara-monina amin'ny tantsaha sy manaja ny fomban'ny fokonolona. Raha tsy manitsakitsaka ny tanin'ny tantsaha na manimba ny harem-pirenena ireny toby fitaratra ireny dia mety ho fanoitran'ny fambolena rahampitso eto Madagasikara tokoa

Ao amin'io dinika yahoo io ihany no hisintonan'ny Gazety Nosintsika lahatsoratra iray avy amin'ny gazety Le Monde izay milaza ny tatitra nataon'i Olivier De Schutter, Mpanadihady manokana avy amin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana momba ny sakafo, miresaka ny fanatontoloana, ny varotra sy ny fiantraikan'ny tsy fahampian'ny sakafo. Navoitran'ny tatitra ary fa mangozohozo ny toeranamisy ny fambolena ankehitriny aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana satria miakatra tsikelikely ny fiankinany amin'ny voly fanondrana (fr):

On leur a promis qu'avec les devises ainsi engrangées, ils pourraient importer de quoi nourrir leur population pour un prix inférieur à ce qu'ils auraient pu produire eux-mêmes. Problème : on a engendré leur dépendance par rapport à des indices boursiers de plus en plus volatils. Après une baisse des cours de leurs produits, ils ne peuvent plus payer leurs importations, dont la valeur a, elle, été parfois multipliée par cinq ou six.

Nampanantenaina azy ireo fa hahafahany manafatra izay sakafo amin'ny vidiny mora noho ny vola laniny amin'ny famokarana izany sakafo izany ny vola azo (amin'ny voly fanondrana) hamelomany ny mponina ao aminy. Ny olana: nampiankinandoha tamin'ny sandan-tsena izay mora maniditsidina (tsy mihamitombina) ry zareo. Raha nihena ny vidim-bokatr'izy ireo dia tsy afaka mividy ny zavatra fanafatra, izay efa nitombo avo dimy na enina heny ny sandany, intsony ry zareo.

Farany, Taru Taylor avy any Korea atsimo no manana fijery manivaka momba ilay fifanarahantany nataon'ny Daewoo:

Although not contemporaries like Jefferson and Hamilton, Choe Cheu and Park Chung-hee are the grand interlocutors of Korean destiny. Tonghak is one portal; imperialism is the other. The “Republic of Korea” and “Imperial Korea” are the terms of the debate between the agrarian hero and the capitalist dictator. The beef protests argue for Choe Cheu; for Tonghak; for Korea as Luke Skywalker, Jedi Knight. But the Madagascar deal argues for Park Chung-hee; for Imperial Korea; for Korea as Anakin Skywalker nee Sith Lord Darth Vader.

Na dia tsy niara-niaina tamin'i Jefferson na Hamilton aza ry Choe Cheu sy ry Park Chung-hee dia mpitondra-tenin'ny ho avin'i Korea. Vavahady iray i Tonghak; vavahady hafa kosa ny imperialisma. Voambolana iadian-kevitra eo amin'ny maherifon'ny fanajariana ny tany sy ny mpanao jadona kapitalista ny “Repoblikan'i Korea” sy ny ” Imperialy Korea”. Manohana an'i Choe Cheu; an'i Tonghak; an'i (Repoblikan'i) Korea araka ny fijerin'i Luke Skywalker, Jedi Knight ny mpametrak'olana. Fa manome rariny an'i Park Chung-hee; an'ilay Korea imperialy ; Korea araka ny fijerin'i Anakin Skywalker nee Sith Lord Darth Vader kosa ilay fifanarahana tamin'i Madagasikara.

Lova Rakotomalala

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> AlfaBee

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.