- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Namaly izay lazaina fa sivana atao amin'ny piesy “47” Lafrantsa

Sokajy: Frantsa, Madagasikara, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Zavakanto & Kolontsaina

Pierre Maury no mitatitra fa efa novalian'ny fitondram-panjakana frantsay [1] ny fanamelohana fa tratran'ny sivana ilay piesin'ny tantaran'ny tolona ho amin'ny fahaleovantena “47″ nataon'i Jean-Luc Raharimanana sy Thierry Bedard [2]. Victoire Bidegain Di Rosa, mpanolotsaina ao amin'ny minisiteran'ny kolontsaina frantsay no manazava [3] fa tsy voatery hahaliana ny firenenkafa aty amin'ny faritra ilay lalao an-tsehatra ary mahazo alalana hampiseho azy ny ny foiben-kolontsaina tsirairay fa anjarany kosa ny mikaroka mpanohana mahaleo tena hanentsenana ny fandaniana mifandraika amin'izany (fr).