- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isiraely: Sary fanao amin'ny rindrina Arzantiana any amin'ny Kibbutz

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Israely, Foko sy Fiaviana, Zavakanto & Kolontsaina

Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela Almeida sy Jose Kura. “Tamin'ny taona 2007 no nanasana an'i Kura sy Almeida hitsidika ny kibbutz (natsangan'ny mpifindra-monina jiosy avy any Arzantina) hanao hosodoko an-drindrina ny andavanandrom-piainana isan-karazany ao amin'ny kibbutz,” hoy [1] Israeli Mom.

Wall Murals (Sourced from www.israelimom.org)