- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary Krismasy

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Fifindràmonina, Hehy, Mozika, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Ny fiarahan-tserasera costarikanina nosedecirlaerre.com [1] izay mandika teny amin'ny “tsy mahay manonona ny R aho” dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy.Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny “swing criollo” hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin’ ilay video.

Efa nampiditra horonantsary tsotsotra ao amin'ny YouTube [2] ry zareo izay karazana fanasana ho an'ny kosatrikanina izay afaka, mba mandefa ny horonantsariny mialoha ny 27 desambra mba ahafahany mampiditra azy miaraka sy mampiseho ny fiarahana amin'ny 30 desambra, mba ho tahaka ny fanomezana ho an'ny krisimasy sy taombaovao ho an'ny fiarahamonina.


Ho an'ireo izay mbola tsy mahafantatra moa ny Jugo de Piña [3] dia hira cumbia Meksikana natambatry ny Hermanos Vasquez ary ohatry ny efa lasa fanao isaky mankalaza ny fety ny krisimasy sy ny faran'ny taona any Kostarika. Cumbia na Swing Criollo izay fandihy kostarikanina ampiarahina amin'ny mozika Cumbia miaraka amin'ny karazana poezia (skipping step), miaraka amin'ny tsinjaka madinika (katoko amin'ny teny tsimihety) sady miodikodina. Afaka mijery ny fiarahana mandihy kostarikanina Swing nataon'olondroa ianao ao amin'ny oronantsary fampahafantarana ny dihy video [4]


Ny fototra nahatonga ny ity Nosedecirlaerre [5] ity dia noho ny tsy firokian'ny kostarikanina amin'ny R tahaka firenena mampiasa ny teny espaniola hafa.