Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.
Panos London moa dia fikambanana manao izay hahenoana ny feon'ny olona voahilikilika sy ny mahantra amin'ny adihevitra iraisam-pirenena. Manana Andian-dahatsoratra manao hoe Growing Pains izay mampiseho ny kamboty vokatry ny SIDA. Ity lahatsary manaraka ity dia novokarina tamin'ny fampiasana ny sarin'ny ankizin'ny fiarahamonina Afrikana Tatsimo, ny fianakavian'izy ireo ary ny fijoroana vavolombelona ataony:
Ny tatitry ny SIDA 2008 izay manadihady sy mamakafaka eo amin'ny sehatry fianarana valan'aretina, fikarohana fototra sy lalin'ny fahasalamana, fikarohana ny fisorohana ny aretina (biomedical), fifantohana eo amin'ny faritra sy fanazavana amin'ny fomba hanatsarana ny ady amin'ny valan'aretina SIDA avy amin'ny SIDA 2008 sy ny fihaonambe hafa mikasika ny SIDA. Efa narahintsika ny fizotry ny fihaonambe ao amin'ny takelaka manokana mikasika izany, ary afaka misintona ny tatitra ao amin'ny IAS Website ianao na eto.