Mandeha dia mandeha amin'ny aterineto ankehitriny ny tsaho manodidina ny fihavian'ilay mpampihorohoro sisa velona tamin'ny fanafihana an'i Bombay dia i Ajmal Amir Kasab izany. Tamin'ity indray mitoraka ity izany dia miara-dalana amin'ny anaran'i India sy Pakistan ity ny firenen'i Nepal.
Tamin'ny 15 Desambra dia nilaza ny mpahay lalàna Pakistaney C M Farooque fa “nalain'ny fitondrana indiana an-keriny” niaraka tamin'ny fanampian'ny mpitondra filaminana Nepaley tany Kathmandhu i Kasab tamin'ny taona 2005 fa misy “teti-panorona ilàna azy aoriana kely ao”.
“The advocate said he wrote letters to Pakistan and Indian governments in this regard. He said that he had also addressed a press conference in Nepal highlighting the issue in which he revealed that the Nepalese forces arrested Ajmal Kasab and many others and held them at an unknown place and that these people would be used for their ulterior designs at some later stage. He said that he had no contact with Ajmal Kasab ever since he disappeared.”
Nolazain'i Farooque fa nahazo fahazoan-dalana handraharaha no nandehanan'i Kasab tany Nepal saingy nalain'ny mpitondra Indiana izy hampiasainy amin'izay “hanaovana azy any aoriana any”. Nilaza moa izy avy eo fa nanatona azy ny ray aman-drenin'i Kasab hahitana ny zanany.
Niady hevitra momba ny filazan'i Farooque ity ary ny mamaham-bolongana Pakistaney sy Indiana, ary somary mihivingivina ihany satria efa nanaiky ny nataony tamin'i fanafihanan ny fidirany tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Lashkar-e-Toiba i Kasab ary mahafantatra azy ny ray aman-dreniny.
Nandà ny filazan'i Farooque momba ny fakana an-keriny ny governemanta Nepaley:
“We have no such information,” home ministry spokesman Nabin Kumar Ghimire told IANS.
Na dia nolavin'ny fitondrana Nepaley sy Indiana fatratra aza ny resaka nakana an-keriny an'i Kasab ary toa vitsy ihany koa ny mino izany any Pakistan, dia voatsikera ihany i Nepal amin'ny tsy fahaizany mifehy ny sisintaniny amin'i India. Mahery vaika tokoa ny fanakianana indrindra fa any India. Heverina ho mampidi-doza amin'ny fiarovana ny tany roa tonta manko ny sisintany mora ifamezivezena loatra.
Manoratra ao amin'i Merinews i Ajit Chak writes:
“Considering the threat posed by the Lashkar and allied groups, especially after the events in Mumbai, one would expect the Indian and Nepalese governments to take steps to control the wild border with Uttar Pradesh, or at least demand cooperation from each other in managing the border.”
Nahazo nikera noho ny fanafihana an'i Bombay ihany koa i India. Dr. Hari Bansha Dulal ao amin'i Nepali Perspectives no miteny fa tokony handinika indray momba ny politikam-piarovany i India:
“India's soft corner for those that raise arms against Nepali state did not end with its generosity towards the Maoists. It continues to provide safe heaven to armed secessionist groups that want to disintegrate Nepal. How is Pakistan's support to Jihadists that want to free Kashmir different from India's turning blind eyes on groups that have raised arms to seek secession? Armed struggle in Nepal will not survive without Indian benevolence.”
Ankilan'izany adihevitra momba ny politikan'i Nepal sy India izany sy ny mombamomba an'i Kasab, dia nampiasain'ny mpampihorohoro sy mpanohana azy hankalazana ireo mpampihorohoro tafiditra tamin'ny fanafihana an'i Bombay ity ny aterineto. Times of India no nitatitra fa heniky ny resaka momba an'i Lashkar-e-Toiba ny kianja fanaovana karajia rehetra. Hita hatrany any amin'ireo kianja mahazatra ny mpaka an-tendrony ireo ny fanandratana ireo mpampihorohoro sy ny fankahalana an'i Etazonia, Isiraely ary Anglisy.
“Some of these electronic terrorists, who also dole out information on how to join LeT, urge the outfit for similar strikes in the US and UK. Ajmal Amir Kasab and the nine others involved in the Mumbai attack are described as heroes.”