- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezypta: Moa ve Palestiniana i Obama?

Sokajy: Ejipta, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Politika, Vaovao Mafana

Foko Arabo iray any Al Jaleel no milaza fa iray mpiray foko amin'izy ireo ny filoha Obama ary hoporofoiny izany. Sandmonkey [1] no mandahateny fa: “Voamarina tokoa ny tahotry ny Zon'ny Amerikana sy ny hetsika Sionista: Foko Palestiniana iray avy any Al Jaleel no mitabataba fa Taranaky ny iray amin'izy ireo i  Obama ary dia Palestiniana koa mazava azy. [2] Eto aho dia manararaotra mampirisika an'i Obama hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana Palestianiana ho avy ka ho Kandidà fahatelo ankoatra ny Hamas [3]sy ny Fatah [4], ary avy eo, rehefa mandresy, dia hamelona indray ny fifanarahana amin'ny tenany ihany amin'ny fomba mahomby hamahana ny olana eto Amin'ny tapany atsinanana (azia andrefana). Tokony ho mampiaiky volana izany. Ho nirehareha tamin'izay i Kafka [5]!”