- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brunei:Soritroritr’ ‘Ali Baba’

Sokajy: Broney, Foko sy Fiaviana, Media sy Fanoratan-gazety, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

Maro ny toeram-pivarotana manohy mivoha hatrany saiky amin’ny faritra maro ao Brioney. Mba hahafantaranao azy mialoha, haka toeram-pisakafoanana iray vaovao isika, dia toeram-pisotroana dité sy kafe iray vaovao, toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano iray vaovao, na toeram-pandraharahana ara-barotra goavana iray vaovao, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Fanampin'izay, ny ankamaroan'ireny fandraharahana ireny dia ny Maley Broneianina no mitazona azy – foko maro an'isa indrindra eto amin'ny firenena. Entina hanaporofoana izany fa tsy sahirana velively ny Maley mitady vola ho entin-manomboka asa fandraharahana iray, na ny fananana fahaiza-manao mba ho lasa mpandraharaha. Indrisy anefa, na dia miroborobo aza ny fandraharahana anatiny natsangan'ireo Maley, ny ankabeazan'izy ireny dia tsy ny tompony no manodina azy. Lazain'i Rouge economist [1] io tranga io hoe toy ny soritroritr’ ‘Ali Baba’ :

Raiso ho ohatry ny soritsoritr'‘Ali Baba’ ny sehatry ny fandraharahana. Te-hanan-karena amin'ny fomba mora sady malaky be isika. Raha tokony isika no hanodina ny orinasa dia lasa mivarotra na mampanofa ny fanomezan-dalantsika amin'ny olona avy any ivelany. Vokany, Tsy mihoatra ny rantsan-tanana folo ny isan'ny Maley Brioneiana izay lasa mpandraharaha azontsika ireharehana raha ampitahaina amin'ny isan'ny toeram-pandraharahana ara-barotra (indrindra ny ‘kedai runcit’, ny trano fanetezana ary ny mpanjaitra). [‘Kedai runcit’ no iantsoana ny fivarotana enta-madinika]

Kedai runcti - convenience store

Sary avy amin'i Anak Brunei [2]

Ny governemantan'ny Brioney dia miezaka ny haha-marolafy ny toe-karem-pirenena amin'ny alalan'ny fandrisihana sy fampivoarana ny harena ara-olona. Tsy hahomby anefa izany hevitra sy tetik'asa fampandrosoana izany raha tsy mivoatra ny olona. Ny kolo-tsaina Broneianina ihany koa dia efa sakana manohitra ny ezaka fampandrosoana ny toe-karena. Ny Rouge Economist [1] ohatra dia manoritsoritra ny toe-tsain'ny Maley broneianina any am-piasana:

Ohatra hafa no maneho ny toe-tsain'ny Maley broneianina any am-piasana. Tafiditra ao anatin'ny kolo-tsain'ny fitantanana ny fiatoana misotro dite amin'ny dimy ora. Ny toetran'ny ‘karang tah’ [translation: “Amin'ny manaraka angamba”, na “Hataoko io aoriana kely ao.”] no nahatonga ny governemanta very dollars an-tapitrisany maro eo amin'ny sehatry ny famokarana ary teo amin'ny fampidiram-bola. Vokatr'izany, ny raharaham-bahoaka, izay asa tena voalohan-tsafidin'ny Brioney Maley, dia milona, tsy mamokatra sy tara ka indraindray aza dia herinandro maro no isaina izay vao mahatonga taratasy any amin'ny distrika kely iray, ary amam-bolana vao mahazo valiny ny fangatahana iray. (Oadray, izany ve no samy taritary avy any an-tanàna?)

Noho izany dia zava-dehibe loatra ho an'ny Brioney ny manorina tontolo afaka handrisika ny Maley manokana hamokatra bebe kokoa sy ny Broneianina rehetra amin'ny ankapobeny. Raha tsy mivoatra ny vahoaka mpanodika ireny seha-pihariana ireny dia mbola nofinofy lavitra dia lavitra ny fandrosoana.