Palestina: Saribakoly Mpampihorohoro

“Inona ny kilalao mety hahafinaritra ny zanakao indrindra amin'ity taona ity noho ny kilalalo mitovy amin'ny mpampihorohoro Al-Qaeda?” hoy ny mpamaham-bolongana palestiniana Amerikana Nawal avy amin'ny Bloggin ‘ Banat.

“It comes fully accessorized too (which is awesome cause that’ll save you money during this financial crisis). It comes with hand grenades, a pistol, an assault rifle and the all too important rocket launcher (awesome, huh?). And just so you know, there’s a Nazi major figure also. You know, just to even out the indignation.”

Indro izy tamy feno fitaovam-piadiana ( izay mahavariana amin'ity ianao mihevitra ny hitahiry vola amin'ity krizin'ny fitantanam-bola ity. Izany izy no tamy mitondra grenady, poleta, basilava ary ny tena goavana dia ny lance roquettes (mba inona koa ary no iantsoana ity amin'ny teny malagasy? Mpandefa balabe?) (mahavariana an!). Ary misy koa ao manana endrika lehibe-na Nazi mba ampahafantariko anao. Izany hoe mba hifampizarana ny fahatezerana e!

terrorist doll

Novolavoalaina araka ny endrika Lego mahazatra, namboarin'i BrickArms avy ao Redmond, Washington (USA) ireto saribakoly ireto. Saribakoly miaramila 10 no asongadin'ny vohikala, ka misy Marines Amerikana ‘US) sy Nazis, ary misy karazana fitaovam-piadiana 31 samihafa ihany koa.

Fantatra amin'ny anarana hoe “Mr. White,” a io saribakoly asehon'ny sary eo ambony io ary $14 USD no amarotana azy. Kojakoja miaraka aminy ny sarondoha, basy poleta, basilava, grenady ary fehiloha.

Raha toa moa ianao mieritreritra ny hividy saribakoly iray mandritra ny fety, dia aoka ampahafantarina anao fa noho ny fahamaroan'ny tinady dia mbola be ny miandry ny nafarany (komandiny). Fa aza matahotra mihitsy, efa nanome toky ny tompon'orinasa fa ho azo atao indray ny manafatra afaka fotoana fohy monja.

Maya Norton

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.