- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina sy Frantsa: Atao fahirano ny vita frantsay

Sokajy: Frantsa, Shina, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Nisy lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Desambra tao amin'ny China.com mampirisika ny firenena manontolo hanao fahirano ny vokatra frantsay ho fanoherana ny fihaonana eo amin'ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny Dalai Lama. Manome torohevitra ny mpanjifa ny lahatsoratra tsy hividy marika frantsay tokony ho 50 eo ho eo ka anatin'izany ny fiara, ny akanjo, ny zava-pisotro mahamamo ary fikojakojana hoditra (fikarakarana tarehy).

Ny filazan'ny gazetim-panjakana koa moa vao maika nandrangitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Ny lahatsoratra tao amin'ny China Daily nivoaka tamin'ny 8 desambra ohatra nitsikera ny fanapahan-kevitry Sarkozy ho toy ny “fihantsiana tsy azo leferina [1]”. Ny lahatsoratra hafa tao amin'ny China Review News indray nanome ny lisitry ny fifanarahana lehibe 4 misy eo amin'i Shina sy Frantsa izay mety ho tandindonin-doza manoloana izao fifanolanana ara-diplaomatika misy eo amin'ny roa tonta izao. Naverin'i [2] Guanqiaob navoaka indray izany lisitra izany tao amin'ny bolongany:

1、中國公司2007年底與法方簽署購買160架空中巴士意向協議,交易額在100億歐元左右,其中包括110架A320飛機以及50架A330飛機。

2、法國阿爾斯通有限公司與中國鐵道部一次性簽署了總額達12億歐元的全球最大功率貨運電力機車的生產合作意向書,並在中國的地鐵列車訂單突破1,400輛。

3、阿爾卡特朗訊與中國移動和中國聯通今年初正式簽署總額為7.5億歐元的移動通信解決方案及服務框架協議。

4、法國國有核電設備供應商阿海琺宣布,將向中國出售兩座最新一代的壓水核反應堆,價值80億歐元。

1. Nanasonia fifanarahana hividy airbus 160 avy any Frantsa ny orinasa shinoa, 10 000 000 000 euro ny totalim-bidin'ireo voromby ireo. Voafoaka ao anatin'ny entana moa ny airbus A320 miisa 110 sy A330 miisa 50.

2. Nisy savaranonandom-pifanarahana teo amin'ny orinasa frantsay Alstom sy ny fitaterana an-dalamby shinoa ny hamokarana Mpanetsikaratra (générateur) sy fiarandalamby miisa 1 400. Manodidina ny 1 200 000 000 euro izany fifanarahana izany.

3. Nanao soniam-pifanarahana momba ny fifandraisana amin'ny finday tamin'ny China mobile sy China Unicom ny orinasa frantsay Alcatel-Lucent. Mahatratra 750 000 000 Euro izany fifanarahana izany.

4. Hivarotra Deuterium Uranium 2 ho an'i Shina ny orinasa frantsay Areva ka mitentina 8 000 000 000 Euro ny fifanarahana.

Ankoatra ny fiheverana ara-toe-karena dia mifototra kokoa amin'ny resaka foto-kevitra fitiavan-tanindrazana no aely amin'ny aterineto. Ohatra azo raisina amin'izany ny antson'i 16fang hanao fahirano [3] sy ny fitodihana ny tantara:

法国总统萨科齐坚持会见达赖喇嘛,不顾我国外交人员的反对和抗议,我们中国已经不是八国联军想欺负就欺负的那个旧中国了,一起行动起来,告诉你周围的人,让我们一起抵制法国货!

Nikiry ny hihaona amin'ny Dalai Lama ny Filoha Frantsay Sarkozy ka nanao tsinontsinona ny fampitandremana sy ny fanoherana nataon'ny diplaomatintsika. Tsy i Shina taloha intsony anefa isika ka hanaiky hotrongisin'ny fiarahan'ny hery valo mitambatra. Lasa izao, miaraka isika, teneno ny olona manodidina anao hanao fahirano ny vokatra frantsay!

共产主义的导师马克思曾说过:生产力决定生产关系。落后就要挨打,这是我们先辈用亿万鲜血换来的教训,我们这一代还有我们的后代都不应该忘记!过去我们忍辱负重地发展自己,现在我们国家现在富强了,我们要捍卫自己的尊严。

Niteny indray mandeha ny mpitari-tolona komonista Karl Marx: Ny fomba famokarana no mamaritra ny fifandraisana eo amin'ny famokarana. Hiaritra fanafihana betsaka ny firenena tratra aoriana, ny ra nalatsaky ny razambentsika no anatra ho antsika amin'izany, tsy tokony hanadino izany isika velona ankehitriny sy ny taranatsika! Niaritra fanimbazimbana isika tamin'ny fandrosoantsika taloha, efa firenena matanjaka kosa isika ankehitriny, mila miaro ny hajantsika isika.

NIsy hafatry ny tia tanindrazana iray nivezivezy tamin'ny alalan'ny QQ sy fifandraisana tsiroaroa (peer to peer) hafa. Lindsey CN dia efa nandika ity hafatra ity tany amin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Global Voices tany alohaloha tany [4]:

Antson'ny tanindrazana!

Ho fampahafantarana anao:

Any Frantsa ny ankizy kely dia ampianarina hihiaka hoe: “AFAHO I TIBET!”

Nametraka ny Filoha Frantsay Atoa Sarkozy fa safidy ny fandavana ny hanao lalao olaimpika tany Beinjing,

Ny Ben'ny tanànan'i Paris nilaza fa tsy manana haja noho ny makorelina ny Shinoa any Afrika,

Fanahy ianian'ny Frantsay ny namono in'efatra ny afo olaimpika,

Lasa rojovy famatorana gadra ny endriky ny peratra olaimpika ary atonta amin'ny sarintanin'i Shina any Frantsa,

Namelatra ny sainan'ny mpitaky fizakantena Tibetana ny Ben'ny tanànan'i Paris ary nandà tsy hanatrika ny afo olaimpika,

Nanimbazimba ny afo tamin'ny alalan'ny eso, horaka, ompa ireto Frantsay mahafinaritra ireto.

Endrika vinitra no nandraisana ny afo masin'ny lalao olaimpika nandritra ny diany tany Frantsa,

Tsy naharo ilay Shinoavavy sembana nitondra ny afo olaimpika ny polisy Frantsay 3000,
——————–

Aorian'ny filazana ireo zavanisy rehetra voalaza eo ambony ireo, ry havana, dia mbola hangina  sy tsy hiraharaha ihany ve ianao, ilazao aho hoe mitondra ny ran'i Yan sy Huang ihany ve ianao (Shinoa)?

Ry havana, inona no tokony ataontsika hitandroana ny haja amam-boninahitry ny tanindrazana tiantsika ity? Manao fahirano an'i Carrefour, eny, iray amin'ny zavatra vitsy tokony ary tsy maintsy ataontsika izany ho an'ny tanindrazantsika! Fa angaha isika tsy afa-miaina raha tsy misy Carrefour? na dia hoe 12 ora mandritra ny andro voalohan'ny taona aza izany?

Saingy mitandrema ry vahoaka tia fandriampahalemana amin'ity tanànan'ny fanatontoloana ity, ny fanaovana fahirano an'i Carrefour tsy midika
fa miady amin'ny namantsika isika Shinoa,
Fa hamaly ny herisetra amin'ny herisetra isika,
Fa mampiely ny fankahalana sy ny anay ny anay (nasionalisma) ihany isika,

saingy manao toy izao kosa izany
milamina amin'ny fanoherana ny fitsaratsarana ivelany sy ny fiangarana,
fanehoana amin'ny fomba zakan'ny hafa ny fahatezeran'ny Shinoa,
Fanambarana mibeso fa ny ra samy mena ary mahery isika,
ary hiaka ilazana amin'ny Frantsa izay eritreretintsika sy izay tsapantsika
—–Tezitra isika!

Nangina isika nandritra izay fotoana lava izay ka lasa very ny fahasahiantsika. Saingy raha tsy misy ny fitakiana ny hajan'ny firenena, ry havana, aiza no ahafahantsika manorina ankohonana maha-te-ho-tia?

Ampitao amin'ny fianakavianao, ny namanao ary ny olom-pantatrao ity hafatra ity aza fady!

Namelabelatra teti-panorona ho amina fahirano lavitr'ezaka [5] kosa i Dream2008 :

1、坚定信心,做好持久、攻坚的准备;
2、强烈抗议、理性抵制、明智消费、杜绝暴力!
3、对家乐福的抵制由个人决定,不号召,不鼓动,不歧视不抵制家乐福的人;
4、抵制去法国旅游的行为;以在国内旅游为荣,以去法国旅游为耻!
5、促进名人、明星等抵制法国奢侈品,抵制仍在消费法国奢侈品的名人、明星(只针对现在和未来,既往不咎);
6、剥去法国奢侈品的光环,给予核心打击,让其价值一落千丈;
7、工业品的抵制需要谨慎,政府该采购的还是要采购,可以替代的选择替代,两败俱伤的行为要避免。
8、制作口号、顺口溜、打油诗、广告等等;(可用攻击性的词汇,但不要用辱骂和侮辱性的词汇)
9、从自己做起,从身边做起,要号召,要宣传,但不要强迫他人。

1. Fikirizana ho amin'ny lavitr'ezaka sy tolona mafy;
2. Fahirano entin'ny saina ary miala herisetra!
3. Tokony hiankina amin'ny safidin'ny tsirairay ny hanao fahirano an'i Carrefour, tsy manao fandrangitana ary tsy manavakavaka ireo tsy mety hanao fahirano.
4. Tsy mankany Frantsa. fihetsika mahamenatra ny mitsangatsangana ho any Frantsa. Beazim-boho ny fizahan-tany eto an-toerana.
5. Mandrisika ny olo-malaza sy ny mpihira malaza hanao fahirano ny “rendrarendra” frantsay, manao fahirano izay mpihira malaza sy mpanao sinema malaza mbola manjifa sy manao dokambarotra vokatra frantsay.
6. Manao izay hampihen-danja ny entana “rendrarendra” Frantsay.
7. Tokony hitandrina tsara eo amin'ny fanaovana fahirano ny vokatry ny orinasa (eto Shina) ary idifiana izay mety hanimba ny toe-karentsika.
8. Mamorona teny faneva, hira, tononkira ary dokambarotra; (afaka mampiasa teny mahery vaika fa tsy manimbazimba kosa)
9. Manomboka aminao sy ny manodidina anao izany. Mila mampiroborobo ny fahirana isika fa tsy tokony hanery ny hafa kosa.

Tsy ny mpiserasera rehetra,na izany aza, no manohana ny fahirano, Tsy resy lahatra [6] amin'izany fihetsika izany i amoiist :

我的第一反應就是“德性”,想想在三鹿毒奶粉事件這些年輕人都到哪了?

Ny fihetsiko voalohany dia hoe “karazana fahamendrehana inona moa izany”. Fa lasa aiza daholo ireny tanora nandritra ny fotoanan'ny ronono voapoizina rehetra ireny?

Nanambara i Kaoifeng fa tsy hanao izany fahirano [7] izany  izy:

首先是因爲我壓根買不起法國貨,法國貨多奢侈品,在商場裏我看到一件“法國品牌”的衣服頂我好幾個月的工資,對於我這樣一個爲了活命的飯碗而奔忙的人來說,哪裏舍得花那辛苦錢?如果說買不起也算是一種抵制,那我倒是經常“抵制”的,等同於經常愛國。

Tsy mahatakatra ny vokatra frantsay aho, saiky lafovidy be avokoa ny ankamaroan'ny entany. Mitovy amin'ny karamako iray volana ny vidin'ny akanjo vita frantsay iray any amin'ny botika. Ho an'ny mpiasa tahaka ahy, ahoana moa no andaniako vola amin'izany? Raha hoe tsy mahavidy no dikan'ny fahirano, dia mpanao fahirano aho izany, ary amin'izany dia tia tanindrazana mandrakariva aho.

不要忘了一點,我們抵制法國貨,法國人同樣可以抵制中國貨。誰說這世界上只有我們可以抵制別人,不允許別人抵制我們?這就 要算一筆抵制的賬,看誰更得好處。這麽多年來,中國的經濟依靠出口與投資拉動,一旦別人抵制起中國貨,出口下滑恐怕還不止現在這麽嚴重,經濟的下滑也不止 像現在這麽小幅。我不知道,中國從法國等歐盟國家每年進口多少億元的商品,每年又出口歐盟多少億元的商品,如果抵制的結果是傷敵一千,自損一萬,這種只要 面子不顧死活的抵制不要也罷。

Aza adinoina fa raha manao fahirano ny vokatra frantsay isika dia afaka mano fahirano ny entantsika ihany koa izy. Ka iza no miteny fa tombony hoantsika ny fahirano? andao isika hanao fampitambarana kely dia ho hitantsika hoe iza no mahazo tombony amin'ity lalao ity. Nandritra ny taona maro dia niankina tamin'ny fampiasambola ho amin'ny fanondranan'entana ny toe-karenantsika. Raha sanatria ka manomboka manao fahirano ny vokatra shinoa ny firenenkafa, dia hihena ny entana fanondrana ho ratsy kokoa noho ny amin'izao fotoana izao ny toe-karenantsika. Tsy fantatro mazava moa ny antontan'isan'ny fanondranana sy ny fanafarana misy eo amintsika sy ny firenena anatin'ny Vondrona Eoropeana. Raha toa ampitomboana 1000 ny fahavoazana mety ho azony, isika kosa manonitra hatramin'ny 10 000, aiza ny toeran'ny fahirano?

Ataon'i Twocold fanalan'andro [8] ny lisitry ny fandaharana sy ny antony hanaovana fahirano:

第一,我们必须要转移注意力,找点乐子。我们的党报写道“ 从法国的政局看,萨科齐日子的确不好过。经济不景气,失业大幅增加,民众支持率下降,于是萨科齐在人权问题、涉藏问题上动脑筋了,想在这些方面整出点动静来,转移公众的视线。”

彼此彼此的,从中国的政局看,当局的日子的确也不好过,经济不景气,失业大幅增加,民众支持率下降,于是当局在人权问题,涉藏问题上动脑筋了,想在这方面整出点动静来,转移公众的视线。

Voalohany: Tsy maintsy mba miala voly kely isika ary mahita izay mampihomehy aminy. Ny aty amin'ny misy antsika miteny fa “raha tsaraina amin'ny politika frantsay, dia saro-toerana i Sarkozy. Midina ny toekarena, miakatra ny tahan'ny tsy fananan'asa ary dia mihena ny fanohanan'ny vahoaka azy.Na izany aza dia nila niasa ho amin'ny zon'olombelona i Sarkozy ary ny raharaha momba an'i Tibet no natao ifantohan'ny ny olona ho fanalan'androny”.

Ampiharina amin'i Shina koa izay fomba fihevitra izay. Saro-toerana koa ny fitondrana Shinoa. Midina ny toekarena. Miakatra avo ny tahan'ny tsy fananan'asa ary dia mihena ny fanohanan'ny vahoaka azy.Na izany aza dia nila niasa ho amin'ny zon'olombelona (ny fitondrana Shinoa) ary ny raharaha momba an'i Tibet no natao ifantohan'ny ny olona ho fanalan'androny.

第二,买不起法国货了。因为大家的股票缩水,经济衰退,能源加税等等原因,一向不便宜的法国货现在看来更奢侈了。既然暂时买不起,不如加入抵制的队伍,这样一来,可以换取爱国的好名声,以便在经济复苏的时候借这个头衔东山再起。

Faharoa: Tsy mahatakatra mividy vita frantsay. Mihena ny tahiry, mihemotra ny toekarenantsika, eo koa ny singa hafa tahaka ny angovo sy ny hetra ampiharina sns… Dia hihalafo kokoa ny vita frantsay izay efa tsy takabidy. Raha toa moa ka efa tsy mahatakatra, maninona raha miaraka amin'ny ekipan'ny mpanao fahirano mba hahazo ny anarana tsaran'ny tia tanindrazana? Rehefa mihatsara ny toekarena no afaka mampiasa tsara izany toerana tsara izany isika.

第三,可以保全我们的政府。这是很重要的,我们的当局是当年我们的爸爸和爷爷们亲自选出来的,所以说,他代表了我们,他正 确就代表我们正确,他有面子就代表我们有面子。在互相的经济政治博弈中,如果我们获得了胜利,那就是当局胜利了,也就等于我们胜利了,但万一我们失手了, 那这就是我们的错,是不明真相的群众受到了一小撮人的煽动,引发了狭隘的民族主义浪潮,因为我们的不顾大局导致了外交受阻经济受损,给政府台阶,胜造七级 浮屠。

Fahatelo: afaka miaro ny governemantatsika isika. Zavadehibe izany. Ny dadantsika sy ny dadabentsika no nifantina ireo mpitondra antsika ireo, nefa dia misolo tena antsika ireo. Raha mety ny ataon'ny governemantantsika, midika izany fa mety ny ataontsika, rehefa tsy maintsy miatrika izy, ny dikan'izany dia tsy maintsy miatrika isika. Raha mandresy isika amin'ity tolona politika sy toekarena ity dia mandresy ny fitondrana. Fa raha resy kosa isika dia fahadisoantsika izay. Ampirisihan'ny vitsy an'isa ary ampitondrany ny onjan'ny fahaterentsain'ny nasionalisma ny sarambambe tsy mahalala zavatra. isika no manimba ny fifandraisana ara-diplaomatikan'ny firenentsika. Manome vahana ho an'ny governemantantsika isika hidirany amin'ny dingana manaraka.

第四,可以防腐败。…但是对一些官员和喜欢出国考察的领导的影响很大,在世界各地的免税店里,他们,尤其是他们的太太是法 国货的消费的主力。抵制了法国货,他们就不好意思把法国奢侈品背回中国,而他们又比较落伍,一时估计也没听说过别国的奢侈品,所以短时间内限制了他们的消 费,在表面上等于防止了腐败的发生。

Fahaefatra: afaka misoroka ny kolikoly ny fahirano… manana fiantraikany lehibe ho an'ny mpitondra antsika izay mailaka ny hanao dia anaty fianarana (voyage d'etudes) any ampitandranomasina izany. Ny vadin-dry zalahy no tena mpanjifan'ny fivarotana tsy andoavan-kaba. Raha manao fahirano ny vita frantsay isika dia hisalasala ry zareo hitondra entana lafovidy vita frantsay ho eto Shina. Ary satria moa tsy tena mpanara-damaody loatra ry zareo, dia mila fotoana maharitra mihitsy aloha ny hitady entana hafa ho solony. Amin'izay fotoana izay dia misoroka ny kolikoly ny fahirano.

第五,可以帮助我的拉力车队。…

Fahadimy: Manampy ny ekipako amin'ny fifaninanana fanamoriana fiara ny fahirano… (naotin'ny mpandika teny: ny tena mpifaninana voalohany amin'ny hazakazaka fiarakodia dia ny Citroen.)

第六,可以防止官员出逃。法国最近成为了中国外出考察团的官员们最喜欢失踪的地方…

Fahaenina: Voasoroka ny mety ho fandosiran'ny mpitondra ambony eto amintsika. I Frantsa manko no lasa fitoerana malaza indrindra anjavonan'ny mpitondra ambony mandritra ny dia anaty fianarana (voyage d'etudes)…

第七,可以降低泡妞的成本。一旦抵制的浪潮掀起,你就可以对喜欢法国奢侈品的女孩子们说,为了国家,我不会给你买这个的。

Fahafito: Hihena ny vola lany amin'ny fikaotiana sipa. Afaka miteny amin'ireo sipa mpirevy ireo vokatra frantsay lafovidy ireo ianao fa noho ny soa ho an'ny tanindrazana dia tsy hividy an'iny ianao.