- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eritrea: Fifandraisana arak'asa soratra amin'i Rosia

Sokajy: Eritrea, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Haisoratra, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Semantic Eritrea no mitatitra [1] fa nanapa-kevitra hanamafy ny fifandraisana eo aminy sy Eritrea ny fitondran'ny federasiona Rosiana amin'ny alalan'ny fananganana tsangambarahin'ny poeta malaza Alexander Pushkin [2], sy  Foiben-kolontsaina Pushkin ao andrenivohitra Eritreana Asmara izany. Ny nahatonga ny fifandraisan'i Pushkin sy Eritrea (Erythrée ho an'izay tsy mahazo resaka) dia niatomboka tamin'ny raibeny izay voalaza fa nisy naka an-keriny tao amin'ny tanàna kely nisy azy tao atsimon'i Asmara fony izy mbola boay kely, hoy ny nolazain'ny mpamaham-bolongana.