- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Philippines: Bolongana nampiseho zava-mahavariana

Any amin'ny firenena izay tsy mitsahatry ny mihena isan-taona ny tetibola atokan'ny fanjakana ho amin'ny fampianarana, dia maresaka fandre isaky ny fidiran'ny taon-tsekoly ny tsy fahampian'ny trano sekoly, na dabilio, na seza ankoatra ny zavatra hafa maro ihany koa. Mba enti-mamaha olana izany tsy fahampian'ny fitaovan-tsekoly izany dia voatery miankina aminn'y fanampiana ny sekolim-panjakana.

Toy izany no ataon'ny Lisea Sangat any an-tanànan'i San Fernando, Cebu raha nanolotra boky sy solosaina ho an'ny sekoly vao haingana tamin'ity taona ity ny fikambanana mpanome fanampiana iray tarihina mponina tany amin'io tanàna io taloha fa efa mipetraka any Etazonia kosa amin'izao fotoana izao.

Saingy indrisy moa, fa tsy nahita izay volombolon'izany fanampiana izany akory ny mpianatra tokony iantefan'ny fanampiana tany amin'ity atsimon'i Philippines ity. Fa inona no nitranga?

Nisy sary maromaro ary naneho ny niafaran'ireo fanampiana ireo avy tamina bolongan'olo-tsy fantatra, Taga San Fernando [1][fil].


Boky nariana tamin'ny tany: Sary nopihan'i Taga San Fernando efa nahazo alalana.

Manazava i Taga San Fernando:

Gi-donate ang maong mga computer, mga accessories, ug mga libro sa Bless of Mind Foundation nga gipangulohan sa taga San Fernando nga si Racquel Kristina Enad. Kini iyang gipadala alang sa Sangat National High School.

Kahinumdoman, ang maong mga computer, mga computer parts, ug mga libro miabot sa Cebu International Port (CIP) sa miaging May 15, 2008 gikan sa USA ug ang consignee mao ang Sangat National High School. Gisulod kini og tulo ka mga 40-footer nga mga container van.

Gipaguwa kini ginamit ang mga kontak ni Nonoy Reluya, ang bana ni Mayor Neneth Reluya sa San Fernando.

Ang nakaapan kay imbes i-turnover pagdiretso sa Sangat National High School, gidiretso kini sa pagdala as munisipyo ug gipilian sa mayor.

Dihang nireklamo ang principal sa Sangat National High School nga si Glenna Plarisan ug naabot sa media ang maong anomaliya, nasuko ang mayor ug iyang gipadala ang mga gipanghimulbulan nga mga donated items sakay sa mga dump truck ug igo lang giambak sa grounds sa maong high school.

Ny solosaina, kojakoja, ary ny boky dia fanomezan'i Bless of Mind Foundation tarihan'ilay nipetraka teto San Fernando Ramatoa Racquel Kristina Enad (raha ny anarany no jerena). Nokasaina ho an'ny Lisea Sangat ireo.

Tonga tany amin'ny seranana iraisam-pirenen'i Cebu (CIP) tanin'ny 15 mey 2008 avy any Etazonia ireo solosaina, kojakoja miaraka aminy ary boky voalaza ireo ary nalefa ho an'ny sekoly. Tao anaty kontenera telo ireo rehetra ireo.

Tafavoaka ireo entana ireo noho ny fanampian'ny olom-pantatr'Atoa Nonoy Reluya, vadin-dRatoa Neneth Reluya Ben'ny tanànan'i San Fernando Mayor.

Nefa raha tokony hivantana tany amin'ny Lisea Sangat ny entana dia nivily ho any amin'ny lapan'ny tanàna ka nanomboka nifantina entana tao ny Ben'ny tanàna.

Raha nitaraina ny talen'ny Lisea Sangat Ratoa Glenna Plarisan, dia ren'ny haino aman-jery izany, tezitra ny Ben'ny tanàna ka nanome baiko hamindra ny entana ao anaty fiarabe mpandroaka fako ary hanary azy eo an-tokotanin'ny sekoly voalaza (na boky na solosaina).

Nahatezitra ny mpamaky ny famakiana izany tantara izany ka nihoatra ny 400 ny fanehoan-kevitra [2]. Araka ny voalazan'ny tompon'ny bolongana [3], noho ny fahabetsahan'ny valinteny dia tsy nahazaka intsony ilay vohikala ka nahatonga azy hamindra ny fitantarany tamina bolongana faharoa [4][en] ary nafindrany ao ihany koa ny fitantarany [sy ny sary vitsivitsy].

Efa napetraka any amin'ny Biraon'ny Mpanelanelana (mpiaro ny olompirenena) moa ny fitoriana ny Ben'ny tanàna. Mandritra izany fotoana izany, dia namoaka [5] ny mailakan'ny iray amin'ireo nandefa ny fanomezana tany amin'ny vadin'ny Ben'ny tanàna Reluya izay mpiaro azy rahateo ny manome heitra iray. Na izany aza, dia niteraka [6] fanontaniana maro izany:

* Why was there no proper turnover of the items to the schools in San Fernando?

* Your defenders say the pictures are exaggerated. Are they saying these were doctored? Are you denying that your people dumped the books on the ground? Are those not the town dump trucks that carried the computers that were obviously dis-assembled? For what? usable parts?

* Is this the way you turnover donated items to their beneficiaries?

For Mr. Steve Enad, don't you feel insulted by how the donations were handled when it arrived?

The pictures say more than a million words … please look at them closely.

* Nahoana no tsy nisy ny fanisana ny kojakojan'ny sekoly any San Fernando ?

* Miteny ny mpanohana anao fa tafahoatra ny sary. Te-hiIaza ve izy ireo fa namboarina ireny sary ireny? Lavinao ve ny filazana fa natsipy tamin'ny tany ny boky ? Moa ve tsy ny fiarabe mpitondra fako no nitondra ny solosaina, izay hita miharihary fa voasokatra sy nosaratsarahina ? hatao inona ? Hakana ny kojakoja ao anatiny ?

* Tahaka izao izany no fanomezanareo ny entana amin'ny omena azy ?

Ho an'Atoa Steve Enad : Moa ve tsy mahatsiaro ho afa-baraka ve ianao tamin'ny fomba nanaovana ireo fanomezana ireo tany ampahatongavana ?
Mahalaza noho ny teny 1 000 000 ireo sary ireo…Koa jereo tsara kely aza fady.