- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan: Filoha very saina?

Sokajy: Shina, Taiwan (ROC), Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Politika

Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies [1] no miteny ao amin'ny twitter-ny [2](zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko. Nolazainy ary fa na manana olona mitovy endrika sy vatana tanteraka aminy (fr: sosie) ity filoha ity, na efa takalon'ainan'olon-kafa. Sa ahoana ary no dia adala be tahaka izao ity Filoha ity?”  Lynn Miles moa lasa lavitra ny fisainany amin'ny hoe ahoana moa no ieritreretany fa zavatra tsara ny fandavan'i Ma  ny Dalai Lama [3](en).