Ezypta: Alaivo sary an-tsaina ny mety ho vitan'ny Ezypsiana 20 000 000

Ny Mobinil an'i Naguib Sawiris no lohalaharana amin'ny orinasam-pinday any Ezypta.

Naka hevitra avy amin'ny dokambarotry Mobinil hoe ” alaivo sary an-tsaina ny mety ho vitan'ny Ezypsiana 20 000 000″ ny Scene & Heard.

Tsy haiko ianareo ry zalahy raha efa nahare ny dokambarotra vaovaon'ny Mobinil amin'ny radiô fa tena sondriana aloha izahay tsy afeniko anareo izany!

Mihevaheva eo ambonin'ny orinasam-panjakana ny fanambarana hoe tahaka ny ahoana moa ny mety ho fandroson'ny firenena raha toa ka miasa miaraka avokoa isika rehetra…Ezypsiana 20 000 000 izany afaka manorina piramida arivo, afaka manadio ny lalan'i Kairo ao anatin'ny minitra vitsivitsy, mety hampihiratra ny andron'ny hafa noho ny tsiky kely iray [raha omenao tsikikely aho dia ho tonga lafatra?]…Tena amin-kitsim-po no ilazanay fa mendri-piderana ny ataon-dry zareo mampisaina antsika amin'ny alalan'ny hafatra manambara zavatra iny…

Fa ny ao anatin'ny hafatry Mobinil dia avoitrany tsara hoe ahoana ireo Ezypsiana 20 000 000 no afa-miaraka ka manana zavatra iray iraisana…mpamandrika ao amin'ny orinasany avokoa ireo!

Ankehitriny raha toa moa ka afaka miaraka avokoa izany 20 000 000 izany ka hanandratra hevitra iray…fa ao anatin'ny tontolo tonga lafatra ihany izany, indrisy!

Amin'ny teny Arabo moa ny dokambarotra etsy ambany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.