Tantara tamin'ny 06 Desambra 2008
Taiwan: Filoha very saina?
Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies no miteny ao amin'ny twitter-ny (zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko....
Kroasia: Vondrona Facebook-n'ny mpanohitra an'i Sanader nampiady hevitra
Misy vondrona iray antsoina hoe :"manao fanamby aminareo aho fa hahita mpampiasa 5000 tsy tia an'i Sanader ianareo!" niforona tao amin'ny Facebook hitsikera ny praiminisitra Kroaty Ivo Sanader. Ho fanampin'ny nitazonan'ny polisy ny mpamorona izany vondrona izany dia nandrisika ny olom-pirenena hahatsapa fa tandindonin-doza ny fahafaha-miteny izany.
Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahafaty tany Peshawar
Peshawar, renivohitry ny faritany avaratra andrefan'ny sisintany any Pakistan no tratran'ny fipoahana baomba mahery vaika androany [zoma]. Nitoby teo akaikin'ny trano fivoriana ilay fiara izay miaty fitaovana mora mipoaka 30-40...
Senegaly: Fikorontanana an-tsekoly
Maro ny mpanao gazety sy mpamaham-bolongana Senegaly no mitodika amin'ny fanamby lehibe atrehina amin'ny fitaizana ny ankizy any Senegaly. Ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny vohikala vaovao PressAfrik [fr], no anoratan'i Awa...
Ezypta: Alaivo sary an-tsaina ny mety ho vitan'ny Ezypsiana 20 000 000
Ny Mobinil an'i Naguib Sawiris no lohalaharana amin'ny orinasam-pinday any Ezypta. Naka hevitra avy amin'ny dokambarotry Mobinil hoe " alaivo sary an-tsaina ny mety ho vitan'ny Ezypsiana 20 000 000" i Scene & Heard.”