Tena tsindraindray ihany vao mba azo ihomehezana izany fifandraisana iraisam-pirenena izany, fa niditra hanala azy amin'ity sehatra ity ny mpamaham-bolongana isiraeliana iray.
Pinchas Orbach ao amin'ny Kumah no mitondra ho antsika fa:
“So… Fateh, of Yasser Arafat fame, set up a website called Fateh.net and they opened it up to anybody that wants to post a blog. Hmm… well someone posted this blog there called “Am Yisrael Chai” (The Nation of Israel Lives!)”
(isaorana ny Kumah.org, nanao saripika avy amin'ny efijery)
Mitondra ny zana-dohateny (na fanampin'anarana) hoe “Isiraely mipalaka ny Fateh.net,” dia vao nampiditra ny “hao jiosy”(fanorisorenana sa sangy jiosy?) ny mpamahana ny Am Yisrael Chai! ary toy izany ihany koa ny “Nah! Tsy mpankahala Semita izany ry zareo ka,” ary ataony ao anatiiny ao ihany koa ny kalandrie manisa ny bala kassam mitontona any Isiraely avy any Gaza, mitovy amin'izay hitanao ato.
Ao amin'ny takelaky ny “About” indray no hamakianao izao:
“This is mostly a joke page just because I saw that anyone could create a blog on Fateh.net. The posts here are a very small selection of posts from the Elder of Ziyon blog.”
Raha te-hanara-dia an'i Am Yisrael Chai! ao amin'ny Fateh.net ianao, dia afaka manao izany amin'ny alalan'ny fanindriana ny takelaka, izay mivaky toy izao:
“You can start to create your FREE blog here www.fateh.net/
انشئ مدونة صفحتك الخاصة مجانا”
Avy amin'ny sehatra WordPress ny bolongana ampiasaina. Tsy misy fampahafantarana hafa hita momba ny bolongana hita eoamin'ny takelaka fandraisana, ankoatra ny fanasana ny mpamaham-bolongana hanoratra amin'ny teny anglisy, arabo, Esipaniolona na frantsay.