- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza

Sokajy: Karaiba, Goiana Frantsay, Fanoherana, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay [1] efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy [2] amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina amin'izao fotoana izao. Amin'izao fotoana izao dia  €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.

Tamin'ny 28 Novambra lasa teo no nanazavan'ny Le Blog Guyane [3] [fr] fa efa ambavahoana tokoa ny toe-draharaha ara-toe-karena, politika ary sosialy any an-toerana, ka izay no miteraka izao fihetsiketseham-bahoaka sy fitokonana politika izao.

“Déjà que la vie est chère ici, mais avec l'essence à 1,77 euros ça devient plus gérable pour beaucoup de gens. Du coup blocage total des transports, voiture, avion, déchargement des bateaux. Petit probleme, certains bleds isolés dépendent de l'essence pour l’ électricité, la filtration de l'eau étant électrique, plus d'eau potable en début de semaine prochaine (le fleuve est pollué au mercure des chercheurs d’ or), plus d'électricté pour les dispensaires, etc….. “

Amin'izao fiainana efa lafo eto izao, mbola 1,77 euros ny (litatry ny) lasantsy hany ka tsy zakan'ny maro intsony izany. Tonga dia tsy misy mihetsika intsony ny fitaterana, ny fiara, ny fiaramanidina, ny fibatana ny entana miala ny sambo. Ny olana, misy ny toerana saro-dalana no miankina amin'ny lasantsy ny herinaratra, mandeha amin'ny herinaratra koa moa ny fitantavanana ny rano ka tsy hisy intsony koa ny rano azo antoka manomboka amin'ny herinandro (efa voaloton'ny mpitady volamena koa moa ny renirano) ary dia tsy hisy rano jiro ihany koa ny tobim-pahasalamana …”

Ny tena nifantohany koa dia tsy mba misy fampahalalam-baovao iraisam-pirenena mitatitra ity vaovao ity, nefa dia tsy fahita hatramin'izay ity olana izay nahatonga ny mponina Goyaney sy ny mpanao politika ao aminy handray andraikitra ity.

“Eh oui, des barrages partout, plus d'écoles ni de magasins ouverts,plus d'essence, il reste l’ hopital et la police….. Bon vu qu’ apparement la Guyane n’ interesse pas trop les médias ni notre cher président, ni même beaucoup le secrétaire d’ etat à l’ outre mer…”

Eny ho'aho, feno barazy anie ny tanàna e! tsy misokatra ny sekoly, ny fivarotana, tsy misy intsony ny lasantsy, ny hopitaly sy ny polisy sisa (no misokatra)….Fa toa tsy dia mahaliana ny fampahalalam-baovao loatra moa ny eto Goyana, ka tsy mahataitra ny filohantsika, eny fa na dia ny sekreteram-panjakana miandraikitra ny ampitan-dranomasina aza tsy taitra…”

Fa lahatsoratra iray ao amin'ny bolongan'i Dom et Steph en Guyane [4] [fr] no mampivoitra ny tsy maintsy  andinihan'ny mponina sy ny mpitondra ny resaka angovo madio kokoa.

“Espérons aussi qu'un débat de fond sur les alternatives à la consommation de pétrole soit initié.”

“Enga anie mba hisy ny loa-bary an-dasy lehibe handinihana lalina hampidirana izay hasolo ny fampiasana ny solika ( eto Goyana Frantsay).”