RDC: Sariitatra politika Kôngôley

Vao iray volanaizay ny filoha Kôngôley no nanendry ny mpikambana ny governemanta vaovao mba hampitonena ny tsikera mihatra aminy noho ny tsy fahafehazany ny herisetra ataon'ny mpioko any amin'ny ilany atsinanan'ny firenena, ka maroamin'ny mpamaham-bolongana no matro-pijery amin'ny hoavin'ny firenena.

Maro moa no manoratra ny tsy filaminana manjaka any Kôngô (jereo ny lahatsoratry ny mpanoratra ao amin'ny GV Elia Varela Serra, izay vao nanaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha), saingyindraindray ny sary no mahalaza azy bebe kokoa noho ny kabary arivo.

Alex Engwete ohatra namoaka ny sariitatra nataony, novokarin'ny Fikambanana miaro ny zon'olombelona (Human Rights Watch), izay manaraby ny tsy fihainoan'ny filoha Kabila ny feon'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanohitra sy ny fanohanana tsy an-kitenitenin'ny vahiny mpamatsy vola.

(sarin'i Barly Baruti sangy tsy tafaoaka eto fa jereo ny lahatsoratra nadika aza fady)

ny manao gazety  Cedric Kalonji kosa indray no namoaka ireto sariitatra politika ireto tao amin'ny Flickr photostream azy :

Liberté de la presse en RDC by Congo Blog.

Hoy ilay miteny: “Raha te-hahazo ny vaovao tadiavinao ianao mankanesa any amin'ny loharano niaviany”

Ilay zazavavy eo ankavia: “MAMA an,  tafapetraka amin'ny toerany ny governemanta, fa tsy hitako ny anaranao. Fa nisy inona?”
Ravehivavy eo ankavananat: “Hay!  Fa adinony ny andininy faha 14 amin'ny Lalampanorenana…”

(ny Adininy faha 14 dia mametraka ny fitovian'isan'ny vehivavy sy ny lehilahy tendrena eo amin'ny sehatra  isan-tanàna, isakyny faritany ary manerana ny firenena.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.