Tantara tamin'ny 02 Desambra 2008
Amerika afovoany: ny vehivavy, ny haitao, ny fanabeazana.
"Noraisin'ny vehivavy tany Amerika afovoany an-tanana ny haitao"tamin'ny alalan'ny famahanam-bolongana miresaka ny fampandrosoana ny rindrambaiko, ny haitaon'ny fampahafantarana sy ny fifandrasaina (TIC) vaovao, ny fampidirana ny TIC ho anisan'ny fampiasa andavanandro. Fa ny mampiavaka azy dia ny adihevitra lehibe amin'ny famahanam-bolongana tamin'ny famoronana tambajotra ho an'ny hafa.
Korea Avaratra any amin'ny bolongana
Sarotra ny mahazo vaovao avy any Korea avaratra. Raha misy ny olona liana amin'io tanàna io dia tsy maintsy any amin'ny bolongana na dinika napetrak'ireo nitsidika farany io firenena io no todihiny ahafahany mihevitra momba ny toe-javamisy farany any amin'io firenena io. Hitsidika ny tanànan'i Kaesong isika amin'ity lahatsoratra ity, hanadihady ny anjerimanontolo vaovaon'i Pyongyang ary hanamarika ny hafatratry ny fitiavan'ny koreana tavaratra ny marika sarimpamantarana (pins) ny mpitondra ao aminy, eny fa na dia efa ivelan'ny fireneny aza izy.
Nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika
Andro vitsivitsy lasa izay dia nitagy ny mpamaham-bolongana namany i Théophile Kouamouo [Fr], mpamaham-bolongana mipetraka any Abidjan (Côte d'Ivoire), hilazalaza ny eritreriny tsirairay avy amin'ny antony hamahanam-bolongana momba an'i Afrika: Bloguons...