Madagasikara: Ady amin'ny fanamoramorana mandritra ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA

Mampahatsiahy ny mpamaky azy ny mpamaham-bolongana mandritra ity andro manerantany iadiana amin'ny SIDA ity fa na dia eo aza ny fandrosoana misy eo amin'ny fisorohana ny VIH sy ny fitsaboana ny SIDA ity, dia tsy tokony ho moramorainy amin'ny fisorohana azy ny tsirairay. Nandritra “Ny tenin'ny Filoham-pirenena” fanaon'ny filoha Marc Ravalomanana no nampahatsiahiany amin'ny olom-pirenena fa tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy tsy misy ny fitsaboana sy nampirisihany ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ( ara-tsosialy) sy ny fikambanana miankina amin'ny fiangonana hiray hina amin'ny fiadiana amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA.

Sipagasy no mampahatsiahy antsika fa mari-pitiavana ny miangavy ny miaraka aminy hanao firaisana voaaro (mg):

Mahagaga tokoa mantsy fa araka ny hita @izy ireny dia misy ny mieritreritra fa dia hoe mahamenatra hono ny manontany ‘fimailo’ @ ilay olona miaraka aminy!! amiko anisan’ny porofom-pitiavana izany, satria miaro azy sy miaro ny tenanao ianao

Manontany ny mpamaky azy i Ikala raha tena siora (matoky) ny toe-tenany tokoa izy ireo amin'ny tsy fisian'ny VIH ao aminy. Manasa ny tsirairay izy hanao fitiliana tamin'ny alalan'ny fakana antontan'isa (fr):

Selon les derniers chiffres rendus publics par l’InVS, 6 500 personnes ont découvert leur séropositivité en 2007. Presque une personne sur trois vivant avec le VIH ignore encore sa séropositivité. Le sida existe toujours, malgré les progrès récents qui permettent de mieux soigner cette maladie et d’améliorer la qualité de vie des séropositifs

Araka ny isa navoakan'ny InVS dia 6 500 no nahalala fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny 2007. Saika ny olona 1 amin'ny 3 mitondra ny tsimok'aretina no tsy mahalala ny fananany izany. Mbolamisy hatrany ny SIDA na dia efa misy aza ny fivoarana amin'ny fitsaboana azy sy hanatsarana ny fiaian'ireo mitondra ny tsimok'aretina

Manombana kosa i Pati hoe hatraiza moa izay ny zavatra vita. Fantany tsara ny fampahafantarana natao mikasika ny VIH saingy amnontany izy raha vitantsika ny voadintsika (na ny adidintsika)(fr):

Pendant que d’autres refusent de se faire dépistés et de connaître leur situation par rapport au VIH/SIDA, des ateliers ne s’arrêtent d’être organisés […] Même jusqu’aux zones les plus enclavées de l’île, on en parle,on fait des sensibilisations sur mais la même question se pose, où en sommes nous?! […] je ne vais pas faire de sensibilisation car je crois que ce n’est plus la peine de répéter tout le temps ce que tout le monde connaît par cœur […] Mais je pense que ce qui reste à faire c’est de rappeler à tout le monde que par rapport à ce qu’ils savent, ils ont leur devoirs.

Raha mbola maro ny mandà ny hanao fitiliana hahalalany ny toe-tenany, betsaka ny loa-bary an-dasy vita […] Eny fa na dia any amin'ny toerana saro-dalana eto amin'ny nosy aza, resahina sy ampahafantarina mandrakariva ny VIH, saingy mampanontany hoe aiza ho aiza ary isika izao ? […] Tsy hanao fanentanana intsony aho satria tsy te-hamerina ny zavatra efa hain'ny rehetra [..] Fa ny heveriko mbola tokony hosahanina kosa dia ny mampahatsiahy amin'ny rehetra izay nataony (adidiny) miohatra amin'izay fantany.

Tomavana indray moa mampahatsiahy amin'ny rehetra fa mbola matanjaka dia matanjaka ny fanavakaahana ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH:

Ny SIDA / AIDS no tokony havahana, fa tsy ireo olona izay mitondra ny otrik’aretina

Ho fampanajana ny zon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH, dia nanangana bolongana vaovao hitehirizana ny asa nataony ny fikambanana miaro ny zon'ny mpivaro-tena sy mpitia ny olona mitovy fananahana aminy na FIMIZORE izay miorina eto Madagasikara.

Raha te-hahalala bebe kokoa ianao dia tsidiho ny takelaka manokan'ny Global Voices mikasika ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA 2008.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.