Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra mandriaka, ny diantsaoka [fanaon'ny polisy amaritana ny paozin'ny olona niharandoza na tavela] ka hatramin'ny fahamaizan'ny Taj Hotel. Azonao jerena ato ny ao amin'ny flickr.
Ity indray ny sarin'ny Taj hotel tanatin'ny afo nalain'i Soumit Kar. Sarin'ny trano fandraisam-bahiny teo ihany nalain'i Mayank Austen Soofi tamin'izy may ny alina. Ashesh Shah kosa naka ny sarin'ny nanorenana ireo tohatra fianihana sy fibatana enta-mavesatra hanatanterahana ny asam-pamonjena voina.
Toerana malaza ahafantarana an'i Mumbai ny Taj Mahal Hotel . Sary aseho mandrakariva ho toy ny fivantanana aorian'ny varavaram-be fidirana any India, toerana manantantara fivantanan'ny olona malaza manerantany ny efitrano ao. Ny tena nanohina ny mpamaham-bolongana moa dia mbola eo ampirehetana ilay toerana, ary efa ravan'ny afo ny efitra ambony.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...