Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Senegaly: Mpanefoefo te-hamorona asa vaovao an'arivony

Indro mijoro eo anilan'ny filoha Wade ao amin'ny lapam-panjakana ilay mpandraharaha Senegaly sady Filoha Tale Jeneralin'ny vondrom-barotra Bara Mboup (CCbm), Atoa Serigne Mboup, nilaza ny tsiri-keviny omaly hampiasa vola mahatratra 34 arivo arivo arivo Cfa (US$ 666 arivo arivo) hanomezana asa vaovao mahatratra 60 000 amin'ny fanafarana posy-bisikileta ampolo arivony avy any ivelany ampidirina any Senegaly.

lahatsoratra avy ao amin'ny Le Quotidien no nakan'i Seneweb ilay tetikasa:

Il s’agit de remplacer notamment les motos-taxis qui circulent à Kaolack et Fatick, par des tricycles dans lesquels les passagers sont installés de manière un peu plus confortable. L’ambition de la Ccbm et de l’Etat est que ces nouveaux moyens de transport remplacent progressivement les pousse-pousse traditionnels, tractés par la force d’homme ou tirés par la traction animale. Pour Serigne Mboup, il y a là, rien que pour Dakar, l’opportunité de «générer ou consolider 3000 emplois plus valorisants».

Ny paika moa dia ny hanoloana ny moto-taxi indrindra izay mivezivezy any Kaolack sy any Fatick amin'ny alalan'ny fiara kodiarantelo ahafahan'ny mandeha mahazo fitoerana tsara. ny kendren'ny fanjakana sy ny Ccbm moa dia ny hanoloana tsikelikely ny posiposy nentim-paharazana, tarihin'olona na biby. Eo imason'i Serigne Mboup dia efa misy fahafahana, ho an'i Dakar fotsiny, “mamorona na manamafy asa ahazoana karama tsara 3 000.”

Na dia tsy mazava tsara amin'ny antsipiriany aza anefa dia marihin'ny lahatsoratra fa tian'ny orinasan’ i Mboup ny hanangana fampindramam-bola madinika ahafahan'ny orinasa madinika na olo-tsotra mividy fiara kodiarantelo.

Tsy ny rehetra tsy akory no resy lahatra amin'ity tetikasam-pampandrosoana amin'ny famenoana fiara vaovao mamoaka setroka maloto ny firenena ity.

Le Blog politique au Senegal no manazava:

Ces petites cylindrées sont extrèmement polluantes, surtout celles venant d'Asie où aucune règle ne s'impose en matière de pollution. Rajouter ces engins dans le bordel des rues de dakar me parait hautement suicidaire.

Tena mpandoto rivotra ange ireto fiaramadinika ireto e, indrindra fa ireny avy any Azia izay tsy noferan'ny lalàna hanaja ny fikajiana ny fahadiovan'ny tontolo iainana. Famonoantena mihitsy raha mbola ampiana izany fiara izany izao fifamoivoizana mikorontana eto Dakar izao.

La circulation de Dakar va empirer, les bronches de nos gamins se goudronner un peu plus pour que la géniale idée de Mr Mboup lui rapporte 4 ou 5 milliards.

hiharatsy ny fifamoivoizana eto Dakar, hihosotra tara (goudron) kokoa ny havokavoky ny zanatsika mba hahazoan'i Mr. Mboup 4 na 5 arivo arivo arivo.

Mieritreritra i Naomed fa raha tena te-hanatsara ny fitaovam-pitaterana eto Dakar ny fitondrana dia any amin'ny fitaovam-pitaterana mahazaka olona maro sady maoderina no tokony ifotorany.

Raha namoaka ny tantara ny gazety Le Quotidien, omaly [FR], dia difotry ny fanehoan-kevitra mafana vay ny vohikalany. Maro kokoa no tsy resy lahatra.

Dioh:

Les motos-taxis, il n'y a rien de pire dans une ville comme Dakar. Ce genre de système de transport doit être interdit. Aggravation du trafic, accidents, incivisme, pollution…

Tsy misy zavatra ratsy noho ny fisiana moto-taxi ho an'ny tanàna tahaka an'i Dakar. Tokony horarana ny fitaovam-pitaterana tahaka ireny. Fitohanana, lozam-pifamoivoizana, tsy fanajana lalàna, loto, ao daholo izany…

Laye:

…Ce projet est à saluer et à soutenir mais plus important nous devons veiller à ce qu'il ne tombe pas dans les travers de la pratique politicienne et, ce faisant, être la chasse-gardée des autorités politiques (comme il en a déjà été le cas dans un passé très récent avec REVA) au détriment des vrais demandeurs d'emploi…

Tsara sy tokony hotohanana ity tetikasa ity fa ny tena zavadehibe dia tsy maintsy manara-maso isika mba tsy hivarina any amin'ny resaka politika maloto ity raharaha ity ka ny manampahefana indray no mahazo vahana [vola] (tahaka izay nitranga tamin'ny REVA vao haingana) ka tsy nisy na inona na inona ho an'ny tena mpitady asa intsony…

BOUKI

DU N'IMPORTE QUOI. C'EST UN RETOUR EN ARRIERE. QUI VA MONTER SUR CES TROTINETTES POUR ALLER SE SUICIDER? WHAT A F…K IS GOING ON? C'EST CE QUI SE PASSE QUAND DES INCOMPETANTS ET IDIOTS DIRIGENT UN PAYS.

TSISY DIKANY. MIVERINDALANA IZANY. IZA NO HANDEHA AMIN'IRENY FIARAKODIA IRENY HAMONO TENA? FA MISY INONA-P… E? IZANY NO IZY REHEFA NY VENDRANA SY NY ADALA NO MITONDRA NY FIRENENA.

Tsy nitonana anarana:

Bara veut tout simplement transposer la Chine au Sénégal. Il n'a pas l'esprit creatif, il ne fait que du copié collé. Mais ce qui est valable en Chine ne l'est pas forcémént au Sénégal.

Te-hamindra an'i Shina ho eto Senegaly fotsiny i Bara. Tsy manana tsirin-kevitra izy fa mandika sy mametaka fotsiny. Fa tsy voatery ho tsara ho an'i Senegaly anie ny nahasoa an'i Shina e.

Fa misy kosa ireo hafa izay mitehaka ny tetikasan'i Mboup ho fanehoana fitiavan-tanindrazana vitsy mpanana ka te-hampiasa ny volany amin'izao fitadiavana mpampiasa vola izao.

boy Dakar:

Le malheure c'est que les sénégalais sont commlexés. C'est comme ça que beaucoup de secteurs de notre économie nous ont échappé. C'est le cas du commerce controlé par les libano syriens, les mauritaniens et les guinéens… ce que le jeune Mboup propose c'est ce que tout patriote doit faire. Son projet ne s'adresse pas à tous les séngégalais mais peut régler en parte le problème du chômage. Il ya des jeunes qui restent du matin au soir sans rien faire, avec ces motos ils peuvent au moins assurer les besoins courants et on verra la suite.

Ny mampalahelo dia mahatsiaro ho ambany (miraviray tanana) ny Senegaly. Izay no mahatonga antsika tsy mahafehy ny toe-karenantsika mihitsy eo amin'ny sehatra maro. Ny varotra lasan'ny Libaney Syriana, ny Maoritaniana aryny Gena…Ny zavatra tokony ataon'ny tia tanindrazana rehetra izao asehon'i Mboup izao. Tsy ho an'i Senegaly iray manontolo ny tetikasany fa mba mamaha olona amin'ny ampahany ny tsy fananan'asa aloha izay. Maro anie ireo tanora tsy manao na inona na inona mandritra ny tontolo andro e, raha manana môtô izy mba mety afaka misahana ny zavatra ilaina andavanandro aloha dia ho hita eo ny tohiny.

izz:

si tous les Sénégalais riches pensaient comme le jeune Mboup,on serait loin de la souffrance.Des centaines de milliardaires Sénégalais n'investissent que sur l'immobilier ou thésaurisent leur argent dans les banques occidentales jusqu'à mourir.C'est vraiment égoiste de leur part.”pensons à s'entraider entre fréres Sénégalais” au lieu d'en faire profiter les toubabs…

Raha manana eritreritra tahaka an'i Mboup ny mpanankarena rehetra mety mba ho lavitry ny fijaliana ihany isika. Anjatony ny mpanefoefo senegaly no tsy mampiasa vola afa-tsy amin'ny fananganan-trano sy fanofana izany na mitahiry ny volany any amin'ny Banky tandrefana mandra-pahafatiny. Izany no endrika fitiavantena tafahoatra ataony. ”Andao isika hieritreritra hanampy ny Senegaly rahalahintsika” fa tsy hampanankarena ny vazaha…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.