- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana

Sokajy: Madagasikara, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Foko sy Fiaviana, Teratany

Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay.

Ny namana Jentilisa dia nanapariaka lahatsoratra lava momba izay antony manintona amin'ny “nofinofy Amerikana.” Tateriny amin'izay ohatra ny fandaharana fahitalavitra fatra-panaraka any madagasikara izay niantomboka tamin'ny sainam-pirenena Amerikana sy sariitatra nahitana tantsaha Malagasy iray nanatona birao ary nanontany raha mba afaka mifidy hoan'i Obama koa ve hono ny tenany. Velom-panontaniana i Jentilisa, amin'izay zavatra tokony hiseho vao mba misy fahavitrihana toy izany mikasika ny sainam-pirenena Malagasy sy ny firenentsika [1] :

reharehan'ny Amerikana ery ny sainany fa ny sainam-pirenenao mpamaky io moa mba ankafizinao va? Sa tahaka ny ahoana no atao mba hitiavanao azy?

Dia mbola ampiany :

Ny Amerikana Amerikana foana na iza mitondra eo na iza! Mirehareha amin'ny mahaizy azy izy. Manandratra ny kolontsainy izy, miaro ny tombotsoany amin'ny fomba rehetra izy fa ny anao kosa manao ahoana? Toa manao fitan-droa… sadasada ihany fa sady te-ho mpitarika na olona mpitantana ambony eto Madagasikara no mizaka ny zom-pirenena heverina fa miaro ny tombotsoany manokana.

Ary rehefa nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny valim-pifidianana, ireo mpivoy ny tranonkalan-tseratsera facebook dia nonanoina. Alain Rasendra dia nivaky [2]

Grant Park m'a mis la larme à l'oeil. C'est l'Amérique que nous aimons tous, avec son leadership rassembleur et mobilisateur. Bravo à tous les Américains d'offrir au monde ce wind of change.

“Nahalatsaka ny ranomasoko izay niseho tao Grant Park [ndlr. kianja niravoravoan'ireo tarika mpomba an'i Obama]. Toy izany ny Amerika tiantsika, mahatsiaro-tena sady mahay mivondrona. Arahabaina daholo ireo Amerikana izay nahay nanolotra an'izao tontolo izao ity “rivo-panavaozana” ity [wind of change].”

Sandy Rarivoson no manamarika fa [3]:

voici venu l'ère des métis

“Efa tonga ny andro [anjakan’] ireo safiotra [na metisy]”

Thierry Andriamirado kosa mamaly azy fa tsy mbola tonga any Madagasikara aloha ny toe-tsaina toy izany [4] :

Si je ne me trompe les métis n'ont clairement pas le droit de se présenter aux élections présidentieles à Madagascar, d'après la Constitution en vigueur.. bah au moins je suis tranquile, mes enfants ne se lanceront donc pas dedans.

“[Satria] raha tsy diso aho, dia tena navahana tsy hahazo hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izay rehetra tsy Malagasy Ray sy Reny. Afaka mandry am-piadanana aho izany satria tsy mba isan'ireo mahazo mirotasaka ireo zanako [ndlr. manambady vazaha izy izany].”

Mponin'ny nety Malagasy sasany hafa dia manazava izay fomba nanarahany akaiky dia akaiky ny fampielezan-kevitra sy izay toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imasony :

Hasina Noel no nanoratra teo amin'ny pejy mirakitra izay mombamomba azy tao amin'ny vohikala Facebook [5]:

This proves to the world that the U.S is still one of the greatest country in the world. Something like this will be almost impossible in any other countries.

“Izao zava-nitranga izao dia manaporofo indray eo imason'ny rehetra fa mbola isan'izay firenena mahatsikaiky indrindra eran'izao tontolo izao i Amerika. Satria tsy no-tanteraka izao zavatra izao amin'ny ankamaroan'ny firenena eran-tany.”

Lalaina Ramarivelo kosa [6]:

I would say that I hope that the whole world would have a new vision of our race, black people.

“Antenaiko fa mba hiova amin'izay ny fijerin'izao tontolo izao antsika mainty fihodirana”