- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Nodimandry ilay Miozolmana Magomayev, Superstar Sovietika

Sokajy: Azerbaijan, Rosia, Foko sy Fiaviana, Mozika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Manome voninahitra ilay Miozolmana Magomayev [1] ny bolongan'ny fikambanana politikan'ny raharaham-bahiny Russia, “ilay sovietika tsy misy fangarony malaza sy mamirapiratra” izay “manana taleta sy nahavita zavatra maro: olona mendri-piderana tokoa nefa artista anisambahoakan'ny Firaisana Sovietika; Mpampianatra opera mahay ny tendrin'i Sinatra; taranaka fianakaviana artista sy mpitsoka mozika avy amin'ny sarangan'ireo tsy noheverina loatra; mpivezivezy any amin'ny toerana maro ary efa nisoho sehatra tao amin'ny La Scala ary nahalany tapakila sy nahafeno an'i Paris Olympia nefa tsy nivena tamin'ny fizakany ny zom-pirenena Sovietika ary niverina nody mandrakariva; ;  ‘Harem-pirenena’ niakatra tsikelikely anivon'ny fiaraha-monina any Moskoa, nefa tsy nanapaka mihitsy ny fifamatorany akaiky amin'ny Bakò niaviany.”