Oktobra, 2008

Tantara tamin'ny Oktobra, 2008

Angola: Tononkalo ho amin'ny Blog Action Day

  23 Oktobra 2008

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

Nagorno Karabakh: Momba ny mariazy miara-mizotra

  21 Oktobra 2008

Pigh [RU] indray no miresadresaka ny mariazy notontosaina tamin'ny herinandro teo natao tao amin'ny Repoblika nanambara samirery ny fahaleovantenany dia i Nagorno Karabakh izany. Nolazain'ny bolongana fa 537 ny isan'ny mpivady vao tao amin'ilay tanàna miadin'i Shushi raha 138 ny isan'ny (mpifamofo) nifanao voady tao amin'ny monasiteran'ny Gandzasar. Nandray vola...

Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

  21 Oktobra 2008

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana...

Belizy: Tondra-drano

  21 Oktobra 2008

“Nampitoka-monina ny tanàna kely sy lehibe maro sy nahatonga fialana tamin'ny toerana iva, nanimba ny voka-pambolena sy fikatonan'ny sekoly maro any amin'ny faritra afovoany sy andrefan'i Belizy ny fitondrahan'ny rano (raiso amin'ny teny hoe tondra-drano) tany amin'ity firenena ity…”: hoy Belizean namelabelatra tamin'ny antsipiriany.

Syria: Efa tonga ve ny ririnina?

  21 Oktobra 2008

Ho avy ity ny ririnina, hoy ny mpamaham-bolongana Syriana Sasa. Taorian'ny fidanihan'hafanana (ka mitanika  orana koa!) dia nirotsaka tampoka tao an-drenivohitra Syriana ny oram-baratra. “Ka tokony haka ny akanjo fanao amin'ny ririnina ary isika sa tsia?” hoy ny fanontaniany.

Madagasikara : Manahy izay mety ho fiantraikan'ny krizy Ekônômika ireo mpiblaogy

  18 Oktobra 2008

Raha tsy mitsaha-mitombo ny krizy, ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana roa lahy, ireo mpitondra Erôpeana sy lohandohany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena dia samy manambara fa voatery ahena ireo fanampiana iraisam-pirenena. Ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara izay mbola mianki-doha fatratra amin'ny fanampiana iraisam-pirenena dia manahy mafy satria manambana ireo ezaka izay...

Afrika: Mpanohana tokana an'i McCain eto Afrika

  17 Oktobra 2008

David Sasaki no nandefa lahatsarin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika: Ao anatin'ny eritreritra endri-panohanana dia ity ny lahatsarin'ny mety ho tsara indrindra amin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika. Raha tadidiko tsara dia toa “George Kennedy” no anarany.

Sri Lanka: Samy simba izany e!

  16 Oktobra 2008

Portrait no mitatitra ny fanimbana ny ala amina kilaometatra maromaro any Sri Lanka izay notapatapahina, nodorana, nohosihosena sy nentin'ny bulldozer fa nolamahina anjatony metatra ny andaniny sy ny ankilan'ny lalana ho fepetra noraisin'ny tafika hisorohana ny fanafihan'ny Tigra Tamolona miafina ao anaty ala ao.