- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Barbada, Trinite sy Tôbagô: Dokambarotra ratsy

Sokajy: Karaiba, Barbady, Trinite sy Tobago, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Tsidika

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report [1] no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany tsy ho azon-tsampona…sy manao izay hahatonga ny toerana nosafidiany aleha ho voaro anaty filaminana.”