- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Bolongana LJ ampolony naato fa tafaverina avy eo

Sokajy: Rosia, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia

Bolongana Rosiana LJ (LiveJournal) ampolony maromaro – ary tafiditra amin'izany ireo efa malaza sy be mpanaraka – no nikatona tsy misy antony mazava halina, niteraka tabataba tamin'ny LJ izany. Ny mpampiasa LJ tarlith-history aza moa dia namoaka ny lisitr'ireo bolongana tratran'ny fiatoana ireo [1] (RUS), ka miantso ity raharaha ity ho “Blogocaust Night (alina nentina namonoana bolongana).” ny mpampiasa LJ oleg-kozyrev kosa niantso azy ho [2] (RUS) “blogocide (fandripaham-bolongana).” ny mampiasa ny LJ dolboeb indray nanoratra [3] (RUS) fa nitranga izy ity noho ny fisovohana (piraty) nahazo ny fandrindrana ny LiveJournal. Tafaverina soa aman-tsara ihany moa ireo bolongana ireo ora vitsivitsy taty aoriana.