- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghana: Mitory ny vaomieran'ny fifidianana ny kandidà iray

Sokajy: Ghana, Fifidianana, Lalàna, Politika

Ampangaina ho nanintsana kandidà ho filoham-pirenena iray  ny vaomieran'ny fifidianana any Ghana [1]: “Raha tsy nahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana desambra ho avy izao Atoa Dan Lartey mpitondra tenin'ny Antokom-bahoaka lehibe tafaray [Great Consolidated Popular Party (GCPP)], dia mikonokonona ny hametraka fitoriana any amin'ny fitsarana ny vondron'asa ghaneana misahana ny fifidianana ho “minia” mandà ny firotsahany hofidiana.”