- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety

Eduardo Guimarães [1] [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana ny heloka bevava vitan'ny gazety, gazety-boky, haino aman-jery isan-karazany ary ny vohikala amin'ny aterineto (amin'izany fanodikodinana ny marina izany). Fa miankina aminareo manontolo ihany ny fanaovana izany raha tsapanareo fa izao no fotoana anatanterahana  izany.”