Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Cote d'Ivoire : Namoaka ôtôbiografia i Didier Drogba

Théophile Kouamouo mpanao gazety mitatitra hoan'ny gazety Frantsay “Le Monde” avy any Abidjan no mizara izay fiheviny ilay boky “C'était pas gagné” [Tsy fandresena mora azo], ôtôbiografiana kalaza mpilalao baolina kitra Ivoariana, i Didier Drogba :

C'était pas gagné m'est apparu comme un livre passionnant, qui permet de mieux cerner la personnalité de Didier Drogba. Un émotif, qui carbure aux grands sentiments, qui considère la fidélité comme une valeur – ce qui peut le faire souffrir dans un milieu du foot où l'argent est roi et la mobilité souvent traumatisante.
Didier Drogba s'exprime aussi dans son livre sur la crise politique qui a déchiré la Côte d'Ivoire. Il livre sa part de vérité, sans prétention – mais l'on sent bien que sa double appartenance française et ivoirienne a souvent été difficile à gérer, notamment en novembre 2004. Comme beaucoup d'entre nous, en tout cas, il considère que la politique ivoirienne de Jacques Chirac a été, pour utiliser une litote, problématique, et il le dit

“Boky mahaliana no fahitako ny “C'était pas gagné”, nahafahana nahalala bebe kokoa izay maha- Didier Drogba an'i Didier drogba. Olon'ny fo, izay mora resy lahatry ny onjan'ny fo, izay mihevitra ny tsy fivadihana [fidelité] ho toy ny toetra sarobidy – izany dia mitarika fanaintainana ho azy indraindray anivon'ny tontolon'ny kitra izay anjakan'ny vola sady nohon'ny fifindra-monina izay manahirana matetika.
Aborak'i Didier Drogba ao anatin'ny bokiny koa izay niainany nandritra ny krizy ara-pôlitika izay nosedrain'ny Côte d'Ivoire. Am-panetre-tena no anambarany izay mba ampahany fantany, – anefa dia tsapa tsara ny fahasarotana izay nosedrainy amin'ny maha-sady Frantsay azy no Ivoriana, indrindra tamin'ny volana Novambra 2004 [ndlr. notafihin'ny fiaramanidina Ivoriana ireo miaramila mpampandri-tany Frantsay ary dia nopotehin'ny Frantsay ireo fiaramanidina roa]. Mitovy hevitra amin'ny ankamaroantsika aloha izy ka mihevitra fa ny pôlitika nampiharinny filoha Frantsay Jacques Chirac tany Côtes d'Ivoire, dia nitarika olana, ary dia hantritranteriny izany”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.